Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

DISTRIKAN’I MAROLAMBO : Vola sandoka 9 tapitrisa Ar sarona, mpivady karohina fatratra

Nisy nanome vaovao ny tobim-paritry ny zandarimaria Marolambo fa misy vola sandoka ao an-tranona Ramatoa iray monina ao Andranovakoana, distrikan’i Marolambo, ny tapaky ny volana mey lasa teo. Nidina tany an-toerana ny zandary hanao fanadihadiana mikasika izany ary hisambotra ny tompon’antoka. Tamin’ny fahatongavan’izy ireo, dia efa tao an-tranon’ny sefom-pokontany Andranovakoana ireo vola sandoka. Araka ny fanazavany, dia dadan’ilay vehivavy no nahafantatra ny fisian’io vola sandoka io, ka nampandre ny zava-misy tamin’ireo tomponandraikitra ifotony. Noho izany, dia  niara-naka ireo vola ireo tao an-tranon’ilay vehivavy, talohan’ny nametrahana izany tao amin’ny sefom-pokontany, izay nampandre ny zandary.

Vola sandoka mitentina 9 800 000 Ar no sarona ka ravim-bola roa alina daholo izany. Araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana,  fantatra fa ny vadin’ilay vehivavy, no nitondra sy nametraka ireo vola sandoka tao an-tranon’izy mivady. Nitsoaka izy mivady, raha vao nahare ny fahatongavan’ireo zandary. Mikasika ilay lehilahy tompon’antoka dia 40 taona teraka tao Vohidamba, kaominina Betampona, distrikan’i Marolambo. Fantatra fa mpividy volamena, monina ao Ankolokala II, fokontany Andambinana, kaominina Sahakevo, distrikan’i Marolambo izy io. Momba ny vadiny indray, vehivavy mpamboly 25 taona  monina ao Andranovakoana, fokontany Ambodinonoka, distrikan’i Marokambo. Mitohy ny fikarohana azy mivady sy izay mpiray tsikombakomba aminy, Nogiazana ireo vola sandoka tratra ireo ary.  nampandrenesina ny sampandraharaha ny Banky Foibe sy ny Fitsarana. Ny tobim-paritry ny zandarimaria Marolambo no misahana ny fanadihadiana.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer