Trangam-piaraha-monina
DISTRIKAN’I MIARINARIVO : Voasambotra ireo andian-jiolahy nahafaty Pasitera iray
Nanomboka ny 10 novambra lasa teo, mandry tsy lavo loha tanteraka ireo mponina tao amin’ny Distrikan’ny Miarinarivo, noho ny fisian’ny andian-jiolahy nandroba ny fananan’ireo mponina sy namono nahafaty raim-pianakaviana iray. Omaly, tambazotran-jiolahy iray ahitana jiolahy miisa 15 no saron’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena tao an-toerana. Araka ny tatitra, nisy ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny tanàna antsoina hoe Anorankely, Fokontany Anorambe, Kaominina Ambatomanjaka, Distrika Miarinarivo, ny alin’ny 10 novambra lasa teo. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola mitentina iray tapitrisa ariary teo ho eo ary namoizana ain’olona iray izay mpitondra fivavahana. Nisy ny fikarohana nataon’ireo zandarimaria tao an-teorana ka voasambotra, omaly, ireo jiolahy niisa 12 voarohirohy tamin’ny famonoana sy fangalarana ireo. Marihina fa samy niaiky ny heloka vitany ireto farany, araka ny angom-baovao sy ny porofo teo an-tanan’ireo manam-pahefana. Ary nambara ihany koa izy ireo fa mbola misy olona telo namany niaraka nanao io asa ratsy io. Eo andalam-pikarohana ireo namany miisa telo ireo kosa, ny zandary ao an-toerana amin’izao fotoana. Antony ny niteraka ny fanafihana ny fisian’ny lonilonim-pianakaviana mahakasika ny famarotana lova, hoy ireo zandary, ka ny zanany sy ny zafikeliny ihany no nanao izany. Nanolotra fisaorana manokana ireo mponina tao an-toerana noho ny fanomezana ny loharanom-baovao ireo manam-pahefana tao an-toerana ary nanamafy fa anisan’ny fototra hisorohana ny loza sy ny mpanao ratsy izany.
Tsiferana (Mpianatra asa)




