Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

DISTRIKAN’I MIARINARIVO : Vola sandoka mitentina 2 tapitrisa Ar mahery nividianana môtô

Nampandre ny zana-tobim-paritra Mahavelona ny raim-pianakaviana iray monina Amparihindravato, fokontany Soamiafara, kaominina ambanivohitra Ankisabe, distrikan’i Soavinandriana. Nanambara izy voafitaky ny lehilahy anankiroa, samy monina ao Ambohikely, fokontany Soamiafara sy Beronono, fokontany Miarinatsimo, kaominina ambanivohitra Mahavelona. Raha ny fitantarany, ny alakamisy 8 mey lasa teo, dia notambatambazan’ireo lehilahy roa ireo izy fa hovidian’izy ireo ny môtô izay fananany. Notinapaka fa 2.100.000Ar no hividianan’izy ireo ny môtô ary naloa teny an-tsena Ankisabe ny vola. Notazomin’ilay tompona môtô ny vola ary hividy omby izy ny alarobia lasa teo. Io vola vidin’omby io no efa nisy nalefa tany amin’ny mpanangom-bokatra, ka teo no nahitana ny vola 300.000 Ar sandoka.

Teo vao nikoropaka, ka navory avokoa ny vola rehetra mitentina 2.100.000 Ar, izay hita fa sandoka avokoa afa-tsy 20.000 Ar tokana. Izany hoe, ireo heverina fa volabe mitentina 2.080.000 Ar dia sandoka avokoa, izay mitondra laharana samihafa. Natao ny fikarohana ireo nanaparitaka ny vola sandoka ka  R. Jean Claude/Clô ihany no tratra fa i Haja kosa, nandositra niaraka tamin’ny môtô sy  ny taratasy momba azy. Môtô cross marika Mak 150CC miloko fotsy sy mainty izy io. Mitohy, araka izany,  ny fikarohana ary notazomina natao andrimaso i Clô sy ny vola sandoka naparitak’izy ireo. Hatolotra ny Fampanoavana ity lehilahy sarona nanapariaka vola sandoka ity, aorian’ny famotorana.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer