Songadim-baovao
DISTRIKAN’I MITSINJO : Trano miisa 74 kila forehitra, 224 ireo traboina
Nisehoana haintrano mahatsiravina tao amin’ny fokontany Namakia, anatin’ny kaominina Ambanivohitra Matsakabanja, distrikan’i Mitsinjo, afakomaly hariva. Trano miisa 74 indray ravan’ny afo. Sarotra ny nifehezana ny afo, vokatry ny tsy fananana fiara mpamonjy voina…

Nitrangana haintrano mahatsiravina tao amin’ny fokontany Namakia, kaominina Ambanivohitra Matsakabanja, distrikan’i Mitsinjo, afakomaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Tsy fantatra mazava ny niavian’ny afo, satria toerana fivarotana enta-madinika isan-karazany vita amin’ny plasitka, fivarotana piesina bisikileta, sy toerana mpamongady amin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro ireo niharan’ny fahamaizana. Vokany, trano miisa 74 kila forehitra, izay nanano sarotra ny fifehezana ny afo, noho ny tsy fananana fiara mpamonjy voina. Nisy, araka izany, ny fiantsoana ny orinasa mpamokatra siramamy Complant teo an-toerana nakana irony fiarabe fitrongisana irony, nentina namonoana ny afo. Ora vitsy taorian’izay vao voafehy tanteraka ny afo. Tsy nipetra-potsiny ireo tomponandraikitra eny ifotony, fa niara-nientana tamin’ny vahoaka , ny depiote voafidy ao an-toerana sy ny ben’ny Tanànan’i Matsakabanja, nandritra ny alina manontolo sy ny maraina, nitady vahaolana ho an’ireo olona traboina. Nisy, araka izany, ny fivoriana niaraka tamin’ny sefo distrika, sy ireo tomponandraikitra ao an-toerana niaraka tamin’ny tale jeneralin’ny orinasa Complant mpamokatra siramamy ao an-toerana. Ity orinasa ity izay nanolotra vary 72 gony milanja 50kg sy siramamy 73 kg. Notolorana lay miisa 74 koa ireo traboina, izay avy tamin’ny tomponandraikitry ny fahasalamana tany an-toerana.
Nanao antso avo…

Ny zavatra nodinihina tao anatiny fivoriana dia ny fijerena ny toerana hametrahana ireo mpivarotra sy ireo fitaovana mifandraika amin’izany ary ny fiahiana ny fandriampahaleman’ireo mpivarotra niharam-boina. Ny solombavambahoaka, Randriamisa Nicolas depioten’i Mitsinjo, ao amin’ny Faritra Boeny kosa, dia tsy nanadino ireo fianakaviana niharam-boina, fa avy hatrany dia nanolotra vary 100 kg sy vola mitentina 100.000 Ar, iny alina nisehoan’ny voina, mba ho sakafon’izy ireo. « Manao antso avo ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina, izahay aty amin’ny distrikan’i Mitsinjo, mba hijery sy hanolo-tanana ireo traboina. Ny tena mampalahelo an’ireo olona niharam-boina, tsy misy afa-tsy lamba teny an-koditra sisa no teny am-pelatanana », hoy hatrany ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Mitsinjo, Faritra Boeny.
Isan’ny fangatahan’ireo niharam-boina, ny hanomezana azy ireo tsena ivarotana, ary hatao manara-dalàna sy manara-penitra. Fahavoazana tsy hita noanoa no nanjo azy ireo, ka mangataka ny Fitondram-panjakana mahefa ireo niharam-boina, mba hijery azy ireo manokana. Fantatra fa ny 90%-n’ireo niharam-boina dia mpivarotra avokoa. Efa nisy ny toeram-pilanonana iray any an-toerana nomena azy ireo, iasana vonjimaika. Napetraka ihany ny Zandary sy ny polisim-bohitra hiandraikitra ny resaka fandriampahalemana. Nisy ny hetsika manokana fanadiovana ireo toerana niharam-boina. Esorina faran’izay haingana ahafahana mamerina ny fiainan’ny mponina.




