Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

DISTRIKAN’I MORAMANGA : Tambazotran-jiolahy mpanao fanafihana rava, olona 23 natao famotorana

Nisesisesy ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny distrikan’i Moramanga iny, nanomboka ny volana febroary iny no ho mankaty. Nandray andraikitra ny mpitandro filaminana ka 10 no efa azon’ny Polisy, raha tafakatra 13 ireo tra-tehaky ny Zandary. Ireo folo efa nidoboka am-ponja, raha niakatra Fampanoavana omaly toa Moramanga kosa ireo 13…

Niainga avy amin’ny fahatrarana jiolahy roa tao Moramanga, ny herinandro lasa teo, izay niaraka tamin’ny basilava iray sy basy vita gasy iray no nahafaha-nandrava sy nisambotra ireo jiolahy miisa 13 mpanao fanafihana. Nanaovan’ny zandarimaria vela-pandrika no naha tra-tehaka azy ireo. Nohazavain’ny Kapiteny Razafimangasoa Fias, Komandin’ny kaompania Moramanga fa « ao anatin’ny fikambanan-jiolahy ireo olon-dratsy ireo ary voasambotra ny tena atidoha nikotrika sy tompon-kevitra. Teo koa ny mpitatitra azy ireo miaraka amin’ny sprinter iray, ary ireo tena mpanatanteraka fanafihana. Mbola tratra tany amin’izy ireo ny entana nangalariny niaraka tamin’ny fitaovana nampiasainy, toy ny moara, basy kilalao, flesy, kidoro, fanafody marobe. Misy zanatanin’i Moramanga ireo jiolahy ary misy avy any amin’ny faritra hafa. Nandray anjara tamin’ireo fanafihana nisesy tao amin’ny Distrikan’i Moramanga moa ireto tambajotran-jiolahy ireto.

Mpiara-dia sy tambajotra iray…

Tiana ny manamarika fa nisesisesy ny tranga fanafihana tao anatin’ny Distrikan’i Moramanga, nanomboka ny tapaky  volana febroary lasa teo. Nanomboka tao avaratr’Anjiro iny izany. Nisy ny hetsika manokana notanterahina tany an-toerana. Rehefa voatosika avy any ireo jiolahy, dia nikisaka tao Morarano Gara, tafiditra ao anatin’ny faritra Amboasary io. Maromaro ny tokantrano voatafika tao ka nanaovana hetsika manokana indray. Nikisaka tao Brickaville indray izy ireo ary nikasa handroba olona mpanao vato, no tratran’ny fokonolona, ka ny Polisin’ny Gara no nandray an-tanana azy ireo.  Tsy nijanona fotsiny tamin’ny fahatrarana ireo 10 lahy nanafika tany Ambodigavo kaominina Lakato ny avy eo anivon’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Moramanga fa nametraka hatrany ny paikady sy vela-pandrika hahafahana mikaroka sy mamongotra ireo olon-dratsy izay mampitondra faisana ireo vahoaka any ambanivohitra any.

Vokany,  olona 13 indray no tra-tehaka nandritra ny « Hetsika manokana » nataon’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria niaraka tamin’ireo entana voaroba sy ny fiara hitaterana ireto olon-dratsy, izay manao ny asa ratsiny. Raha ny fanazavana voaray dia misy ifandraisany avokoa ireo fanafihana nataon’izy 23 mianadahy ireto tao anatin’ny Distrikan’i Moramanga. Ilay mpamily ny fiara mpitondra ireo jiolahy dia mbola nanao hosoka sy nampiasa hosoka tamin’ny karapanondrony sy ny « permis ». Azo antoka fa mbola vesatra hafa koa izay. Tsara ny mampatsiahy fa ny 10 tamin’izy ireo, dia efa mamita ny saziny ao amin’ny fonjaben’i Moramanga raha toa ka niakatra fampanoavana hatry ny omaly ireo 13 vao azo ireto, izay azo antoka  fa handray ny saziny avy hatrany.

Rado Harivelo

Fermer