Songadim-baovao

DISTRIKAN’IKONGO Vaovao diso sy lainga afafy ny filazana fa amidy eny amoron-dalana ny zaza

Na ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena nanao ny fanadihadiana ifotony tao Ikongo, ny OMC Fitovinany, ny Governoran’ny faritra Fitovinany sy ny Ben’ny tanàna, ary Sefo fokontany any an-toerana dia samy nilaza avokoa, fa vaovao diso niniana naely ny filazana fa nisy famarotan-janaka niseho tao Ikongo…

Ireo tompon’andraikitra ifotony toy ny Ben’ny tanàna, Raiamandreny ara-dRazana, ary ny Zandarimariam-pirenena nanao ny fanadihadiana tany an-toerana dia samy nandiso ny vaovao naely teto Antananarivo, izay nilaza fa « Amidy 100 000 Ariary ny zaza iray ao Ikongo ». Gazety mpivoaka isan’andro iray eto an-dRenivohitra, no fantatra, fa nanao io fanelezam-baovao diso io, ny alatsinainy 09 janoary lasa teo, izay nampisarovorovo saim-bahoaka teto an-dRenivohitra. Ny Ben’ny tanànan’Ikongo, Ramananjatovo Anatole, Ben’ny tanànan’ny kaominina Anatanakamba, Razanamongo Zinaha, Ny Filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna ao amin’ny distrikan’Ikongo, ny Ben’ny tanànan’Ambatofotsy, ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena ao amin’ny distrikan’Ikongo, ny Kaomiseran’ny Polisy ao Ikongo, ary ny Delege misahana ny mponina ao an-toerana dia niray feo nanambara, omaly, fa « tsy marina ny filazana fa misy ny fivarotana zaza sy zaza kely atakalo vary aty amin’ny distrikan’Ikongo ». Tsy mbola nisy tatitra voarain’ireo tompon’andraikitra voatanisa mikasika io raharaha io, ihany koa hatreto. Nomarihan’ny Governoran’ny faritra Fitovinany, fa manakaiky ny fifidianana, ary io fanelezam-baovao diso sy tsy marim-pototra io dia natao hanakorontanana saim-bahoaka ivelan’Ikongo, ary efa fantatra ankehitriny ireo olona nanatanteraka izany. Nanamafy ihany koa ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny Zon’olombelona (CNIDH), fa tsy voamarina io tranga famarotan-jaza tao Ikongo io. Nisy anefa, fahasarotan’ny fihariana sy ny tsy fanjarian-tsakafo nihamafy, fa indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza « Batsirai », izay namela takaitra mafy tamin’iny faritra iny. Izany no nanery ireo Ray aman-dreny sasan-tsasany tao an-toerana nametraka ny zanany tany amin’ny fianakaviana, izay noheverin’izy ireo fa mety hanana fahafahana mikarakara ireo ankizy, hoy ny CNIDH. Tombanana ho 15 teo ireo fianakaviana voakasik’io tranga io, raha ny fantatra. Efa miverina tsikelikely any anivon’ny ankohonany anefa, ireo ankizy ireo, raha ny tatitr’ity Vaomieram-pirenena iray ity. Efa nisy koa fanampiana ara-tsakafo sy ara-bola nentin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC, ny « Cellule de Prévention et Gestion des Urgences » sy ny FID, ary ny Fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny sakafo (PAM) taorian’ireny rivodoza ireny.

Tompon’andraikitra maro tany an-toerana nohadihadiana

Nanao fanambarana nandiso iny vaovao diso niniana naely iny ny OMC Fitovinany

Nisy avy hatrany ny fanadihadiana sy fanangonam-baovao nataon’ny Zandarimariam-pirenena taorian’iny famoaham-baovao teto an-dRenvohitra iny, ho fandraisan’andraikitra. Nanomboka teo amin’ireo Solontenam-panjakana ao Ifaniria sy ireo olom-boafidy tao an-toerana, toy ny Ben’ny tanàna ao Ifaniria sy Tanakamba, ny « Assistant parlementaire » ao Ifaniria, ny foiben’ny PAM ao Manakara sy ny Talem-paritry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ao Fitovinany, dia samy tsy nisy nanamarina io vaovao nivoaka teto io. Ny fikambanana tsy miankina rehetra nandalo tao an-toerana ihany koa, dia tsy nahitana ilay antsoina hoe « Tina » izay voalaza fa avy amina ONG iray sy voatonona ho loharanon’iny vaovao iny. Ny lehiben’ny Fokontany sy ireo mponina rehetra dia samy nanambara, fa tsy misy famarotan-jaza tao an-toerana, ary tsy misy zaza tsy eo anilan-dRay aman-dreniny amin’izao fotoana, any an-toerana. Hatramin’izao dia misy ireo fikambanana sy ONG maro mandray an-tanana ireo olona marefo sy tsy salama tsy ampy sakafo. Nambaran’ny OMC Fitovinany tamin’ny alalan’ny Prefe-ny, fa manamafy hatrany ny fanaraha-maso sy fifanakalozam-baovao amin’ny tompon’andraikitra rehetra ao an-toerana, izy ireo, ialana amin’ny vaovao tsy marim-pototra tahaka izao. Andraisana fepetra kosa, ireo namoaka sy nanaparitaka vaovao diso, raha ny fantatra. Miakatra ny voka-bary, ary ireo entana ilaina andavanandro no mameno ny tsena ao Ikongo amin’izao fotoana, raha ny fantatra.

Fermer