PolitikaSongadim-baovao

DRAFI-PANANDRATANA (PEM) : Efa vonona hanampy ireo mpamatsy vola

Anisany nisongadina tamin’ny resaky ny Mpitondra tenin’ny Governemanta nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fandaharana Adihevitra tao amin’ny fahitalavi-pirenena omaly, ny fampahafantarana ho ataon’ny Filohan’ny Repoblika momba ny PEM amin’ny 19 Janoary ho avy izao. Notsindriany fa efa vonona hanampy io vina io ireo mpamatsy vola.

Noresahana sy nodinihana nandritra ny Filankevitry ny minisitra maromaro ny mahakasika ilay drafi-panandratana an’i Madagasikara na “Plan pour l’Emergence de Madagascar (PEM) ”. Nanisy resaka mahakasika io indrindra ny mpitondra tenin’ny Governemanta omaly, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, raha niakatra tao amin’ny fahitalavi-pirenena. Nambarany fa manana vina tsara enti-manandratra ny firenena ny Filoha ankehitriny, izay efa voarakitra ao amin’io PEM io avokoa. Manampy izany koa, ny tetikasa izay nentin’ireo minisitra tsirairay avy, arakaraka ny departemanta sahaniny, izay noraketina ao amin’ity drafitra ity. Noho izany, samy miandry ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ity PEM ity avokoa ny rehetra, amin’ny 19 Janoary ho avy izao, izay sady fotoana ihany koa hanamarihana ny faharoa taonan’ny nanaovan’ny Filoham-pirenena fianianana amin’ny maha Filohan’ny Repoblika azy. Notsindrian’ity tomponandraikitra ity fa drafitra maty paika no voarakitra ao amin’ny PEM, ary efa vonona hanampy ireo mpamatsy vola. Fotoana izay nanindriany fa tsy mbola niteny velively ny fitondram-panjakana ankehitriny fa tsy mila mpamatsy vola. Nambarany kosa fa nandritra izay roa taona nijoroan’ny Fitondrana izay dia saika tetibolam-panjakana madiodio daholo no nanaovana ireo tetikasa marobe nanerana ny Nosy. Ny fahavitan’ireny fotodrafitrasa marobe ireny, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, no maharesy lahatra ireo mpamatsy vola ka mahatonga azy ireo mirotsaka manampy ny Fanjakana ankehitriny. Izany hoe, atokisan’ny mpamatsy ny mpitondra ankehitriny.

Fanovana minisitra

Na dia ao anatin’ny firosoana amin’ny fanatanterahana ity PEM ity aza anefa ny Fitondram-panjakana, tsy azo ihodivirana koa ny fanaovana tombana ireo minisitra tsirairay, toy ny efa fanao isaky ny enim-bolana. Eo anatrehan’izany, nilaza ny mpitondra tenin’ny Governemanta, omaly, fa efa mandeha ny tombana atao amin’ireo minisitra tsirairay avy. Ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra, hoy izy, no tompon’ny teny farany amin’ny fanesorana minisitra na tsia. Miainga tamin’ny vinan’asa na “contrat programme” kosa no hanaovan’ny Filoha izany tombana izany. Notsiahiviny, nandritra izany, koa ny tokony hidiran’ireo minisitra tsirairay avy amin’ny fiarovana ny politika sy ny zava-bitan’ny Fanjakana, manoloana ireo tsikera maro samihafa manao tohivakana ankehitriny. Efa fanamarihana nataon’ny Filoham-pirenena rahateo izany. Tsy tokony hihanona fotsiny amin’ny maha teknisianina ireo minisitra, fa mila misehatra amin’ny tontolo politika satria toerana politika no misy azy ankehitriny.

Fermer