PolitikaSongadim-baovaoSosialy

DRAFITRA NASIONALY FANARENANA: Harafitra miainga amin’ireo filàna isam-paritra

Taorian’ny Filankevitry ny Minisitra mahazatra dia nisy ihany koa ny Filankevitry ny Minisitra manokana izay notanterahina teny Iavoloha, ny alarobia teo, niarahan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ireo Minisitra manana andraikitra manokana mikasika ny “Drafitra nasionaly fanarenana”. Drafitra izay hirakitra ireo tetikasa fanarenana ireo Faritra tena voa mafy taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy teto amin’ny Nosy .

Nandritra ny filankevitra manokana ny Alarobia teo, nisy ny toromarika izay nomen’ny Filoham-pirenena mikasika ny famaritana ireo filàna na « besoins » isam-paritra mba hahafahana mandrafitra ilay Drafitra nasionaly fanarenana, natao hitondrana vahaolana ho an’ireo Faritra tena voa mafy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Rehefa vita izany, dia hirosoana ny fanombanana ara-bola ireo filàna ireo. Ity drafitra nasionaly fanarenana ity dia tokony hanova tanteraka ny fiainan’ny mponina, sy  ireo sehatra rehetra iankian’izany tany amin’ireo Faritra nandalovan’ny rivodoza teto Madagasikara, hoy ny Filoha. Rehefa vita soa amantsara ity drafitra ity dia irosoana ny fampahafantarana azy amin’ireo mpiara-miombona antoka sy mpamatsy vola maro isan-karazany, hoy hatrany izy.

Ho an’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina manokana, mba ahafahana mitondra fiovana sy fanatsarana ny fiainan’ny mponina, hisy  ny asa miteraka fidiram-bola  sy fampiofanana ataon’izy ireo izay ahazoana fitaovana. Ny Minisiteran’ny Mponina no miandraikitra izany any amin’ireo Faritra vitsivitsy toa an’Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Alaotra Mangoro, Atsimo Atsinanana, Anôsy ary Analamanga.  Hisy ihany koa ny fizarana sakafo mafana, toy ny Kaly Tsinjo, izay sitrahan’ireo Faritra vitsivitsy izay tena voakasikan’ny fandalovan’ilay rivodoza toa an’ny  Faritra Alaotra Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anôsy, Analamanga, Betsiboka, Sofia. Tafiditra ao anatin’ny drafitra napetraky ny  Minisitera ihany koa  ny fizarana sakafo, toy ny Vatsy Tsinjo  izay hotanterahin’ny CPGU – BNGRC ary  ny fanampiana ara-bola, toy ny Tosika Fameno, izay hiandraiketan’ny  FID.  Ho fanampiana ireo mponina marefo, hisy Vola ho tambin’asa na « Argent contre travail », miaraka amin’ny fepetra tosika, izay ho sitrahan’ny Faritra Atsimo Atsinanana, (Analanjirofo, Vatovavy, Fitovinany, Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Anosy).

Fanohizana ny fifamoivoizana

Mahakasika ireo fahatapahan-dalana niseho tamin’ireny lalam-pirenena ireny, laharam-pahamean’ny eo anivon’ny  Minisiteran’ny Asa vaventy ny mikasika ireo asa ahafahana manafoana ny fitokana-monin’ireo Distrika sasany izay saro-dalana vokatry ny fandalovan’ireo rivodoza. Tao anatin’izany dia nisy  ny famaritana ireo lalam-pirenena sy lalana maromaro  izay harenina sy hamboarina ary ny fanaovana tombana mifandraika amin’izany.

Fanarenana ny fambolena

Manoloana ny fahapotehan’ny tanim-bary sy ireo voly isan-karazany, nanome toromarika  ny Filoham-pirenena fa mila jerena ny hanampiana ireo mpamboly sy mpiompy ahafahana manavotra ny taom-pambolena sy mampitombo ny fidiram-bolan’izy ireo izay tsy misy raisina ny ankamaroany. Mila jerena  ihany koa hoy ny Filoha ny fampitomboana ny masomboly sy fidirana amin’ny fanondranana entana. Ankoatr’izay dia hodinihina ny fambolena vokatra vaovao toy ny katsaka ohatra any amin’ny toerana maromaro eto Madagasikara.

Fananganana Sekoly

Araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena, ankoatry ny asa fanarenana ireo sekoly, hisy karazany efatra ny fotodrafitrasa hapetraka ary tokony apetraka  ny fanaovana sekoly vaovao na « nouvelles constructions ».

Nangonin’i Celestin (mpianatra asa)

Fermer