PolitikaSongadim-baovao

DUBAI- EMIRATS ARABES : Miatrika ny fihaonana an-tampon’ireo governemanta maneran-tany ny Filoha Rajoelina

Voaasa hanatrika ny fihaonana an-tampon’ireo governemanta maneran-tany na ny WGS 2025,  izay tanterahina ao  amin’ny Madinat Jumeirah – Dubai- ao Emirats Arabes Unis  ny Filoha Andry Rajoelina. Ho tanterahina manomboka ny 11 hatramin’ny 13 febroary 2025 izao  izany fihaonana  an-tampony izany. Hanomboka anio, araka izany, ny fihaonana an-tampony ka efa any  an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina sy ny vadiny Mialy Rajoelina hanatrika ity fihaonana manan-danja ity.  Filoham-panjakana manodidina  28 no ho tonga hanatrika ny WGS 2025.  Anjatony ireo handray anjara amin’ny fihaonana izay ahitana filohana fikambanana iraisam-pirenena  toy ny BAD na ny Banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana, Akinwumi Adesina  sy ny tale jeneralin’ny FMI na ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena, Kristalina Georgieva.  Lohahevitry ny fihaonana an-tampony ho an’ny taona  2025, ny hoe :  « Façonner les gouvernements de demain » na azo adika amin’ny hoe  famolavolana paikady ho an’ny ho avin’ireo governemanta maneran-tany. Araka izany,  tanjon’ny fihaonana an-tampony, ny famondronana ireo governemanta maneran-tany, ireo fikambanana iraisam-pirenena, ireo mpanapaka  hevitra, ireo mpitantana amin’ny sehatra tsy miankina maneran-tany, mba hanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, hahafahana miaraka  mikaondoha hanolotra  vahaolana vaovao sy mahomby  iatrehana ireo karazana fanamby ho an’ny ho avy, fa indrindra mba hanomezana ohatra sy fampirisihina ireo hitondra fanjakana any aoriana.

Hifantoka  manokana amin’ny famolavolana paikady hanatsarana ny fiainana maha-olona ireo lahadinika sy ady hevitra ary famelabelarana ao Dubai. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana manokana ao anatin’ny WGS 2025, ny lohahevitra mikasika ny fitantanam-panjakana mahomby sy mandray andraikitra, ny famatsiam-bola sy ny toekarena maneran-tany, ny toetr’andro, ny fametrahana ny maha olona ho laharam-pahamehana ho an’ny ho avy, ny fahasalamana sy ny fiatraikan’ny fandrosoan’ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fitantanam-panjakana.

 

Mifanitsy amin’ny fototry ny fampandrosoan’ny Filoha

 

Mahakasika manokana an’i Madagasikara ireo lohahevitra ireo. Mifanitsy tanteraka amin’ny Andry Fototry ny Fampandrosoana napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ny tanjon’ny fihaonana an-tampony,  izay manome  lanja manokana ny  maha olona sy mametraka ho laharam-pahamehana ny fanjakana tsara tantana amin’ny alalan’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra.  Hisongadina manokana  i Madagasikara amin’ny alalan’ny Filoha Andry Rajoelina  ao anatin’izany sehatry ny fanjakana tsara tantana izany mandritra ity « WGS 2025 » ity. Voaasa manokana hanao lahateny  mikasika ny « leadership », hizara  ny traikefany, ao anatin’ny lahadinika miompana amin’ny fizaran’ireo governemanta ny traikefam-pitantanany, ny Filoha Andry Rajoelina, ao anatin’ny andro voalohany hisokafan’ny WGS amin’ny fomba ofisialy.  Hamiratra ihany koa i Madagasikara mandritra ity fihaonana maneran-tany ity, amin’ny alalan’ny fandraisan’ny Filoha Andry Rajoelina anjara fitenenana, izay ao anatin’ny lahadinika mikasika ny fizahantany, ny 12 febroary 2025, mandritra ny WGS 2025.

 

Vokatra mivaingana…

 

Hisy  koa ireo fihaonana manokana hataon’ny Filoha Andry Rajoelina amin’ireo tomponandraiki-panjakana samihafa tahaka ny fanaony rehefa manatrika fihaonana an-tampony tahaka izao. Ho an’i Madagasikara manokana, fotoana entin’ny Filoha Andry Rajoelina manamafy ny toeran’i Madagasikara sy manamafy ireo fiaraha-miasa  eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, fa indrindra amin’ny Fanjakana Dubai sy ireo  Fanjakan’i Emirats Arabe Unis, ny  fihaonana an-tampony tahaka izao. Tsiahivina fa fanindroany izao ny Filoha Andry Rajoelina no nandray anjara tamin’ny WGS ao Dubai. Vokatra mivaingana maro no azon’i Madagasikara nandritra ny WGS 2024 niarahana manokana tamin’ny fanjakan’i Emirats Arabe Unis. Anisany goavana  ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny fanjakan’i Emirats Arabes Unis ao anatin’ny tetikasa «  Digital school » sy «  coders initiative ».  Tanora hatrany amin’ny 1 tapitrisa no hisitraka fampiofanana momba ny haitao arakajy mirindra. Teo  koa ny fahavitan’ny fanaovan-tsonia santatra fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny Emirats Arabes  Unis ao anatin’ny fanomezana fiofanana momba ny haitarika  ireo mpiasam-panjakana ambony. Anisany tena goavana sy nanamarika manokana ny fandraisana anjaran’ny Filoha Rajoelina nandritra ny « WGS 2024 »,  ny fihaonana manokana teo aminy sy ny filohan’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabak’i Emirates, Son Altesse Cheikh Hamed bin Zayed Al Nahyan. Noho ny haitarika sy ny fahaiza-mandresy lahatry ny Filoha Andry Rajoelina, hanokatra bebe kokoa ny lanitr’i Madagasikara amin’ny kaompaniam-pitaterana goavana maneran-tany toa an’i Emirates, ny volana septambra 2024 ihany dia nisokatra ny sidina voalohany mampitohy an’Antananarivo sy i Dubai.

 Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer