Vinan’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny hampiakatra ny lenta sy ny kalitaon’ny fampianarana eto amintsika. Tsy afa-misaraka amin’izany ny fampiasana ny teknolojia vaovao sy ireo fitaovana mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny amin’ny fampitana fahalalana. Ny teknisianina eo anivon’ny Minisitera rahateo efa manomana votoatim-pampianarana azo ampidirina amin’ireny karazana fitaovana maoderina ireny. Noho izany indrindra no maha zavadehibe ny fandaharanasa « Ecole Numerique », tarihin’ny Orange Solidarité Madagascar, izay miompana amin’ny fanomezana fitaovana ara-teknolojika, toy Tablette, video projecteur, Ecran, PowerBank, Casques, sy ny sisa hafa koa, ho an’ireo sekolim-panjakana eto Madagasikara.
Hampiofanina ireo mpampianatra sy mpianatra
Nanomboka ny taona 2014 no nisy ny ity fandaharanasa ity. Nandritra izany, sekoly 136 no efa nisitraka fampitaovana tamin’ny fandaharanasa « Ecole Numerique ». Ho an’ny taom-pianarana 2020-2021 manokana, sekoly 20 no kasaina hizarana ireo fitaovana ara-teknolojika ireo. Nanambara ny teo anivon’ny Orange Solidarité Madagascar, tamin’ny alalan’ny Filohany, Randriambeloma Josie, fa efa misy ny fiarahamiasa amin’ny Minisitera tompon’andraikitra, sy ireo mpiara-miasa isam-paritra amin’ny fisafidianana ny Sekoly hisitraka ny ‘Kit numérique ». Nambarany koa fa tsy mijanona fotsiny amin’ny fizarana ireo fitaovana ny fandaharanasa, fa misehatra ihany koa amin’ny fanofanana ireo mpampianatra sy mpianatra hampiasa ireo fitaovana. Tokana ny tanjona, hoy ny fanazavana, dia ny ampitovy lenta ny zanaka malagasy rehetra amin’ny fisitrahana fampianarana misy kalitao sy feno ary manaraka ny toetrandro. Marihana fa natao, omaly, tetsy amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy, ny fanavaozana ny fifanaraham-piarahamiasa teo amin’ny minisitera, tamin’ny alalan’ny minisitra Marie Michelle Sahondrarimalala, sy ny Orange Solidarité Madagascar.




