PolitikaSongadim-baovao
EGLIZY KATOLIKA MANERANTANY: Voafidy ny Papa Léon XIV, teratany Amerikana
Iray andro taorian’ny nanombohan’ny “Conclave” dia voafidy ny Papa vaovao hitondra indray ny Eglizy Katolika maneran-tany. Papa Léon XIV no anarana nosafidiany, teratany Amerikana faharoa, ary “Augustiniana” voalohany hitondra ny Eglizy Katolika, ny Kardinaly Robert Francis Prevost, 70 taona…
Voafidy ny Papa vaovao, nandray ny anarana “LEON XIV”, dia ny Kardinaly Robert Francis Prevost. 24 ora monja taorian’ny fanombohan’ny “Conclave” dia voafidy ny Papa. Setroka miloko mainty miisa telo, anefa, no teo alohan’ny setroka fotsy, nipoitra teo amin’ny fivoahan-tsetroky ny Lasapela Sixtine, ao Vatican, izay nanambara ny fahazoana Ray Masina vaovao hitondra ny Eglizy Katolika maneran-tany, omaly hariva tamin’ny 06 ora sy 07 minitra, ora tany Roma. Izy no niompanan’ny safidin’ireo Kardinaly 132 tamin’ny fifidianana andiany fahaefatra, ka nahazoany ny 2/3-n’ny vato, izany hoe maherin’ny 89 isa tamin’ny mpifidy. Marihina moa, fa miisa 133 ireo Kardinaly latsaky ny 80 taona, nandray anjara tamin’ny “Conclave” teo iny. Izy izany no Papa faha-267 taorian’ny Papa Fransoà, dimbin’i Masindahy Piera hitondra ny Eglizy Katolika maneran-tany. Teratany Amerikana faharoa hitondra ny Eglizy Katolika, taorian’i Papa Fransoà, noho izy teraka tany Chicago Etazonia, ny 14 Septambra 1955, izany hoe 70 taona. Nanokan-tena tao amin’ny Fikambanan-dRelijiozy “Ordo Sancti Augustini” (O.S.A) ny Kardinaly Robert Francis Prevost, izany hoe niaina ny fiainam-panahin’i Masindahy Augustin Mpampianatry ny Eglizy, izany hoe “Augustiniana” voalohany hitondra ny Fiangonana Katolika, raha “Jezoita” no teo alohany. Misionera tany Perou izy, no notendren’ny Papa Fransoà ho Prefen’ny Dikasiteran’ny Eveka tao Roma, nanomboka ny taona 2023, izany hoe miandraikitra ny fanendrena Eveka maneran-tany. Ny 30 Septambra 2023 izy no lasa Kardinaly, ary izao voafidy ho Papa Ray Masina izao. Raha tsiahivina ny Papa Leon XIII, izay nodimbiasan’ny Papa Leon XIV, dia nitondra ny Eglizy Katolika teo anelanelan’ny taona 1878 ka hatramin’ny 1903, Kardinaly Vincenzo Gioacchino Pecci, niaro faratra ny Eglizy tamin’izany fotoana, ary niaro ny zon’ny mpiasa sy ny Ansiklika malaza “Rerum Novarum”. Tamin’ny taona 440 ka hatramin’ny 461 kosa, no nipoiran’ny anarana Papa “Leon I”, na “Léon Le Grand”, Olomasina Mpampianatry ny Eglizy.
Lahateny vonon-kiatrika fanamby
Hiatrika fanamby maro ity mpitondra vaovaon’ny Eglizy Katolika maneran-tany, Papa Leon XIV ity, raha ny lahateny nataony teo am-pisehoany voalohany teo amin’ny Lavarangan’ny Bazilikan’i Md Piera, tamin’ireo Kristiana aman’alina, omaly hariva. Fantatra, fa raha ny foto-kevitra nijoroan’ireo Papa “Léon” nifandimby dia naneho ny fahasarotam-piarony amin’ny vahoaka kristianina nentiny. Nentiny tamin’izany ny tenin’i Md Augustin, hoe “Eo aminareo aho kristianina, fa ho anareo aho Eveka”, izay maneho hatrany ny fanetre-tenan’i Papa Fransoà nitakosina tamin’ny vahoaka. Teniny voaohany ny hoe “ho aminareo anie ny fiadanana”. Anisany nisongadina koa ny hoe “tetezana sy fifampiresahana” (pont et dialogue). Niverimberina tamin’ny tenin’i Papa Leon XIV koa ny hoe “Fandriam-pahalemana”, izay azo heverina ho amin’ny hirosoany hampihavanana izao tontolo izao manoloana ny zava-misy. Nanome tso-drano ho an’izao tontolo izao sy ho an’i Vatican na “Urbis et Orbis” ny Ray masina, tamin’ny fisehoany voalohany omaly io. Tamin’izany koa no nanomezany ny fanalana ny sazim-pahotana (Indulgence) ho an’ny mpino niatrika teo amin’ny Kianjan’i Md Piera. Heverina ho fisehoan’i Papa Léon XIV manaraka amin’ny vahoaka Kristianina, ny Lamesa voalohany hotanterahiny eo amin’ny Kianjan’i Md Piera, amin’ny maha Papa azy, izany hoe fametrahana amin’ny fomba ofisialy azy. Faharoa, ny Lamesa hotanterahiny ao amin’ny Bazilikan’i Latran, izay katedraly, amin’ny maha Evekan’i Roma azy. Tsy mbola voafaritra moa ny datin’ireo fotoan-dehibe roa ireo.
Nangonin’i Stan R.




