Songadim-baovaoSosialy

«EÏD AL-FITR»: Andro tsy hiasa ny 31 marsa 2025

Ankoatra ireo andro tsy hiasana miisa 13 vofaritra ao amin’ny didim-panjakana laharana n°2025-005 dia mbola manampy isa ireo ihany koa ireo fety miisa 2 an-dry zareo mpino silamo: ny “Eïd Al-Fitr” sy ny “Eïd Al-Adha”. Tsy azo faritana dieny any amin’ny fiandohan’ny taona ireo daty roa ireo, miankina amin’ny fihodin’ny volana izay alimanaka arahin-dry zareo mpino silamo no hahafantarana izany. Omaly, araka izany, nampahafantatra ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana (MTEFoP) fa “ny andron’ny alatsinainy 31 marsa 2025, andron’ny Eïd Al-Fitr dia tsy fiasana nefa andraisan-karama, manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara”. Tsiahivina, noraisin’ny Fitondram-panjakana ny fepetra amin’ny fanaovana andro tsy fiasana kanefa andraisan-karama ireo fety manan-danja roa an’ny mpino silamo ireo mba hisian’ny fitoviana amin’ny fanamarihana ireo fetin’ny finoana hafa. Olona maro eto Madagasikara rahateo, no mifikitra amin’izany finoana silamo izany.

Tsara moa ny manamarika fa andro mamarana ny fifehezana nandritra ny volana Ramadany izay naharitra 30 andro ny Eïd Al-Fitr. Andro fifaliana ho an’ireo mpino silamo, noho izany, io fihafaran’ny Ramadany io. Fehiny, ho lavalava kokoa ny faran’ny herinandro amin’io herinandro ho avy io. Mialoha io alatsinainy 31 marsa io mantsy dia efa tafiditra ho isan’ireo andro tsy iasana fa handraisan-karama ihany koa ny datin’ny sabotsy 29 marsa 2025, fahatsiarovana ny tolona 1947.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer