Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ENTANA AVY ANY IVELANY: Sigara “Good Look” hosoka 57 000 fonosana tratra tany Mahajanga
Kaontenera iray izay nolazaina fa mitondra “papier hygiénique” no nahitana entana hafa mihitsy rehefa natao ny fisavana. Tamin’ny alatsinainy teo, tany Mahajanga, no nanao fisirihana manokana kaontenera iray ny avy eo anivon’ny sampandraharaha miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny entana hosoka, sy ny “Service des renseignements et enquêtes” avy eo anivon’ny Fadintseranana Malagasy, rehefa naharay fanairana avy any La Réunion. Voamarina ny ahiahy rehefa nosokafana ity kaontenera ity satria nahitana sigara « Good Look » mena hosoka miisa 11,5 tapitrisa nozairaina tao anaty fonosana miisa 57 000 sy baoritra miisa 1 152. Hita niaraka tamin’izany ihany koa ny baoritra 2 nahitana » 𝑟𝑢𝑏𝑎𝑛𝑠 𝑎𝑑ℎ𝑒́𝑠𝑖𝑓𝑠 » misy anaran’ny “Impérial Tobacco”. Ary servieta taratasy 94 baoritra fotsiny, izay tokony nameno ny kaontera. Fepetra noraisina vonjimaika manoloana izany ny fanapenana “plomb” ny kaontenera ary natolotra ny fitsarana ny raharaha, araka ny lalàna sy fitsipika mifehy ny ady amin’ny entana hosoka.
“Mampiseho ity tranga ity fa tena ilaina ny fifampizaram-baovao sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy fadintseranana, satria izany no nahafahana nisoroka ity fikasana hampiditra entana hosoko an-tsokosoko ity”, hoy ny Fadintseranana Malagasy. Nohazavain’ny tompon’andraikitra fa ny tranga toy izao dia maneho ampahibemaso ihany koa ny maha zava-doza ny fampidrana entana an-tsokosoko. Ankoatra ny fahaverezan’ny vola tokony hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana mantsy dia mety hiteraka loza ho an’ny fahasalamam-bahoaka ihany koa izany satria tsy voafehy sy tsy voamarina ny kalitaon’ny entana.
S.S




