SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ENTANA TSY ARA-DALÀNA: Sarona ny zava-pisotro misy alikaola 667 tavoahangy
Omaly, tamina toerana “Résidentiel” iray teto andrenivohitra no nahatraran’ny teo anivon’ny fadintseranana entana niditra tamin’ny fomba tsy ara-dalàna teto Madagasikara. Zava-pisotro misy alikaola 667 tavoahangy, amin’ny marika lehibe sy fanta-daza, sy sigara 179 baoritra no sarona tamin’izany, taorian’ny fahazoana loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo. Rehefa nanaovan’ny teo anivon’ny fadintseranana fanadihadiana ilay voalaza fa tompon’ny entana dia tsy nanana antontan-taratasy manamarina ny fampidirana ireo entana ireo teto an-tanindrazana. Teo anatrehan’izany, rehefa nahafantatra ny raharaha ny teo anivon’ny Fadintseranana, nandefa fangatahana fisavana trano teny anivon’ny PAC ny sampandraharaha miady amin’ny hosoka. Taorian’izany, vao nirosoana ny fitsirihana ny tsy fanarahan-dalàna rehetra, ary nogiazana ao amin’ny fandraraharana ny fadintseranana ireo entana ankehitriny. Efa natolotra ny fitsarana kosa ny raharaha.
Tranga efa nisy hatrany
Nanamafy ny teo anivon’ny fadintseranana fa tsy vao sambany no nisy tranga toy izao. Raha tsiahivina, efa nisy ny fahatrarana zava-pisotro misy alikaola 30 000 tavoahangy ny taona 2016. Ny novambra 2017 koa, mbola nisy koa ny fahatrarana zava-pisotro tsy ara-dalàna 3 kaontenera. Niaiky ny teo anivon’ny Fadintseranana fa mahita fomba vaovao sy avo lenta hahafahana mampiditra an-tsokosoko ny entana tsy ara-dalàna hatrany ireo mpanao izany. Na izany aza, efa manao ny ainy tsy ho zavatra koa ny eo anivon’ny fadintseranana amin’ny fanaraha-maso sy ny fitsirihana ny entana miditra eto an-tanindrazana. Izy ireo izay miantso fiarahamiasa sy fifanomezan-tanana avy amin’ny rehetra, indrindra amin’ny fanomezana loharanom-baovao mahakasika tsy fanarahan-dalàna. Misy ny laharana maitso azo antsoina amin’izany, dia ny 360.



