PolitikaSongadim-baovao

ETAZONIA: Mampirisika ny hirosoana amin’ny fifidianana ny 09 novambra 2023

Anio no manomboka amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, amin’ny 09 Novambra 2023. Raha toa ka mbola varina amin’ny fidinana andalambe sy ny fambolena korontana etsy sy eroa ny kandidà sasany, ny fianakaviambe iraisampirenena, tafiditra ao anatin’izany ny Amerikanina, dia manamafy hatrany ny finiavany hanohana ny zotram-pifidianana mba hanamafisana orina ny demokrasia.

Anio 10 Oktobra 2023 no voafaritry ny lalàna fa hanombohana ofisialy ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 09 novambra 2023, araka ny tetiandro. Nisy omaly ny fanambarana nataon’ny Masoivoho Amerikanina mifandraika amin’izay. « Hiditra anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra ofisialy i Madagasikara ny 10 Oktobra izao ka manentana ny governemanta iaraha-mitantana sy ny kandidà rehetra i Etazonia mba hanao ny ezaka rehetra hanohanana ny fifidianana malalaka sy madio ary koa zotram-pifidianana eken’ny rehetra sady atokisan’ny mpifidy sy ny olom-boafidy », hoy ny fanambarana. Zava-dehibe amin’ny kalitaon’ny fitantanana ny firenena ny fifidianana. Notsindrian’izy ireo fa, na hampandroso na hampihemotra ny fampandrosoana ara-demokratika sy ara-toekarena maharitra ao amin’ny firenena iray, ny fifidianana. Na izany aza anefa, ny foto-kevitra fototra mamaritra ny fifidianana malalaka sy madio dia ny tsy maintsy hisian’ny tena fifaninanana ara-politika ary ny tsy maintsy hahitana taratra ny fahalalahana maneho ny safidim-bahoaka, araka ny fanambarana hatrany. “Mba hahatongavana amin’izany, ny governemantan’i Madagasikara dia tokony hanaja ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan’ireo kandida rehetra sy ireo mpiara-dia aminy hivory am-pilaminana, ary tokony hanome azy ireo ny fitoviana amin’ny fisitrahana ny haino aman-jery sy ireo toerana fanaovana fampielezan-kevitra”, hoy hatrany izy ireo.

Manamafy orina ny demokrasia

Etsy ankilany, niantso ireo kandidà rehetra ny Amerikanina mba hitandro ny filaminam-bahoaka rehefa hampahafantatra ny fandaharanasany sy haneho ny heviny amin’ny alalan’ny hetsika famoriam-bahoaka sy fampielezan-kevitra tanterahana am-pilaminana. Zo feno ananan’ny vahoaka Malagasy ny hahafahany mandinika ny ho safidiny ao anatin’ny tontolo milamina sy azo antoka mialohan’ny hanehoany izany safidiny izany amin’ny alalan’ny latsa-bato ny 9 novambra, hoy ny fanambarana. Tsiahivina fa nandritra ny fihaonan’ny Filoha Amerikana Biden tamin’ireo mpitondra Afrikanina, tamin’ny fihaonana an-tampony Etazonia-Afrika, dia nanamafy ireo mpitondra miisa enina ka anisan’izany ny an’i Madagasikara ny fahavononany hanatanteraka fifidianana malalaka sy madio, anaty zotram-pifidianana mangarahara ary koa tantanina vaomieram-pifidianana mahefa sy mahaleotena sy tsy mitanila araka izay voafaritry ny Sata Afrikana momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantanana. Nohamafisin’ny Filoha Biden fa i Etazonia dia manamafy hatrany ny finiavany hanohana ny zotram-pifidianana mba hanamafisana orina ny demokrasia aty Afrika.

Tetsy ankilany, eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, nanapa-kevitra ny handefa iraka mpanara-maso fifidianana na “Mission d’observation des élections” aty Madagasikara ny Vondrona SADC mialohan’ny fifidianana. Fanapahan-kevitra izay tsy manohintohina velively ny tetiandro efa napetraka sy ny zotram-pifidianana amin’ny ankapobeny.        

Fermer