PolitikaSongadim-baovao

ETAZONIA: Voafidy ho Filoham-pirenena faha-47 indray i Donald Trump

Mazava ny fandresena ho an’i Donald Trump, raha ny vokatra vonjimaika amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ao Etazonia no asian-teny. Tafakatra 277 ny isam-bato azon’i Donald Trump avy amin’ireo mpifidy vaventy ao Etazonia, raha 224 ny an’i Kamala Harrys avy amin’ny antoko demokraty. Saika nifidy an’i Donald Trump avokoa ireo fanjakana lehibe ao Etazonia, toy ny tao Pennsylvanie, Georgie, ary Caroline du Nord.
Efa nanao fanambarana nilaza ny fandreseny moa ity kandidan’ny antoko repoblikanina ity. Nosokajiany fa fandresena ara-politika goavana ho azy ny nahatafaverina azy indray eo amin’ny fitantanana ny firenena. Na izany aza, vonona hanoratra tantara vaovao ny Filoha Trump, ary hanatanteraka ireo vinan’asa noresahiny tamin’ny vahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra, dia ny ady amin’ny fifindramonina tsy ara-dalàna, ny fijerena manokana ny karama farany ambany, ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
Nisaotra ny vahoaka amerikanina rehetra ny filoha Donald Trump nifidy sy namerina ny fatokisana taminy. Ho an’ireo mpomba an’i Kamala Harrys kosa, dia ny fahataran’ny fanapahan-kevitry ny antoko demokraty handrotsaka an’i Kamala Harrys no anton’izao vokatra izao. Etsy ankilany, nibata ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimiera koa ny antoko repoblikanina.
Araka ny fandaharam-potoana dia ny 20 desambra izao no hanao ny fianianana ny filoha Donald Trump. Mialohan’izay, mazava ho azy, no hivoaka ny vokatra ofisialy. Tsiahivina fa izy no filoha faha-47 itondra an’i Etazonia.
Isan’ny efa niarahaba ny filoha Trump tamin’izao fahalaniany izao indray ny Filoha malagasy Andry Rajoelina, izay nanamafy ny tokony hitohizan’ny fiarahamiasa eo amin’ny firenena roa tonta. Ny Masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto amintsika, Claire Pierangelo dia nanazava fa tsy misy fiantraikany mihitsy amin’ny fifandraisana eo amin’i Etazonia sy Madagasikara sy ny fahalanian’ny kandidàn’ny antoko demokraty na repoblikanina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer