PolitikaSongadim-baovao
FAHA-62 TAON’NY FAHALEOVANTENA : Voafonja 11 316 nisitraka fanalefahan-tsazy, 2 902 nahazo fahafahana
Nanamarika ny fanamarihana ny faha-62 taon’ny fahaleovantena omaly, 26 Jona, ny fanalefahan-tsazy faobe nataon’ny Filoham-pirenena. Miisa 16 165 ireo voafonja voatsara manefa ny saziny manerana ny Nosy, ka ny 11 316 amin’ireo no nahazo ny fanalefahan-tsazy. 2 902 kosa ireo voafonja ho afaka hivoaka avy hatrany noho ity fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoham-pirenena ity.
Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-62 taona nitsingerenan’ny fetim-pirenena malagasy dia nandray fanapahan-kevitra hanome fanalefahan-tsazy faobe ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ho an’ireo olona voaheloka amin’ny sazy tsy ahazoana fahalalahana. Araka ny fampitam-baovao, mahatratra 16 165 ankehitriny ireo voafonja efa voatsara manefa ny saziny any amin’ireo fonja manerana an’i Madagasikara. Ny 11 316 amin’ireo, araka izany, no hahazo fanalefahan-tsazy avy amin’ny Filoham-pirenena. Voafonja miisa 2 902 kosa no ho afaka hivoaka ny fonja avy hatrany noho ity fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoha ity.
Tsara ho fantatra fa tsy voakasiky ny fampiharana izany fanalefan-tsazy faobe izany ireo olona vaoheloka amina sazy tsy ahazoana fahalalahana toy ny vono olona sy ny vono olona nomanina, ireo heloka mamoafady, ny fanolanana, ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. Eo koa ireo heloka rehetra voalaza ary sazian’ny lalàna famaizana mifandraika amin’ny raharaha andramena sy ny hazo mainty, ary ireo heloka momba ny famotsiam-bola. Ankoatra izay, tsy voakasin’ny fanalefahan-tsazy sy ny fanafahana ihany koa ireo olona voatazona am-ponja vonjimaika sy ireo voafonja na voasazy izay nanao fampakarana.
Fiarovana ny zon’olombelona
Araka ny fanampim-panazavan’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny fanalefahan-tsazy dia fahefan’ny Filohan’ny Repoblika manokana, araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary ampiharina amin’ny fotoan’ny fety, toy ny fankalazana ny fetim-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny Politikan’ny Fanjakana malagasy amin’ny fiarovana ny zon’olombelona sy fanenana ny isan’ireo voafonja mba hifanaraka amin’ny fetrisa azo raisina amin’ny fonja manerana ny Nosy izao fanalefahan-tsazy faobe izao, raha ny fanazavana.
Tsiahivina fa isan’ny vain-dohan-draharahan’ny Fitondram-panjakana, hatramin’ny taona 2019, ny fanajana ny zon’ireo voafonja tamin’ny alalan’ny fananganana ireo fonja vaovao maro manerana ny Nosy. Misy amin’izy ireny no efa nosokafana, ary handraisana voafonja ankehitriny, raha tsy hilaza afa-tsy ny etsy Imerintsiatosika. Zava-dehibe izany manoloana ireo fanehoan-kevitra marobe, eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mahakasika ny fahamaroana diso tafahoatra amin’ireo olona tazonina am-ponja eto Madagasikara. Ho an’ny etsy amin’ny fonjan’Antanimora manokana, raha toa ka manodidina ny 800 ireo gadra tokony ho zakan’ny fotodrafitrasa, efa mananika ny 3 000 ireo olona voafonja ao an-toerana ankehitriny. Lalana iray hahafahana manena ireo voafonja marobe ireo, araka izany, ity fanapahan-kevitra noraisin’ny Filohan’ny Repoblika ity.




