PolitikaSongadim-baovao

FAHA-62 TAON’NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA: Tsy nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ambanin-javatra

Tsy azo kosehina ny tantara. Zovy ny Malagasy tsy mahalala izany Raiben’ny Fahaleovantena izany? Eny fa na ireo kilonga vao misantatra ny fianarana ny tantaran’I Madagasikara aza efa mahay izany Filoha Philibert Tsiranana izany avokoa. Rariny loatra raha tsaroana manokana ity oloben’ny Firenena ity, rehefa andron’ny 14 Oktobra, fotoana nijoroan’ny Repoblika voalohany teto amintsika. Hatreto, ny Filoha Andry Rajoelina irery ihany no Filoha am-perinasa nanome voninahitra ity Raiben’ny fahaleovantena ity.

14 Oktobra 1958  – 14 Oktobra 2020. Feno 62 taona katroka omaly ny nanambara ny fijoroan’ny Repoblikan’I Madagasikara teny amin’ny efitrano filanonan’ny Lisea Galliéni Andohalo. Nisy ny fanamarihana izany, omaly, izay notanterahana tany amin’ny Antsohihy. Nanome voninahitra ny lanonana fametrahana ny fehezam-boninkazo teo amin’ny fasana ilevenan’ny Filohampirenena voalohany teto Madagasikara sady Rain’ny Fahaleovantena ny Filoha Andry. Hetsika izay mifanindra andalana ihany koa amin’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny Fahaleovanten’i Madagasikara. Notanterahina tao amin’ny toerana misy ny fasan’ny fianakaviana Tsiranana ny lanonana, tao Ambodirengitra, kaominina Anahidrano,  distrikan’Antsohihy, Faritra Sofia. Natomboka tamin’ny fisafoana ny andian-tafika ny lanonana. Avy eo niroso tamin’ny fametrahana ny fehezam-boninkazo ny Filoha, natrehin’ny Praiminisitra Christian Ntsay, mpikambana sasany amin’ny Governemanta, olomboafidy sy ny fianakavian’ny Filoha Tsiranana. Naneho ny fankasitrahany manokana ny lanonana ho fanomezam-boninahitra ny Rain’ny Fahaleovantena ny taranaky ny Filoha Tsiranana. Fotoana izay nanambaran’izy ireo fa Filohampirenena am-perinasa voalohany tonga nahatsiaro manokana sy nanome voninahitra ny Filoha Tsiranana ny Filoha Rajoelina. « Daty isany tena tian’ny Filoha Tsiranana ny 14 oktobra, izay tsaroan’ny Filoha Andry Rajoelina koa », araka ny fanambaran’ny zafikelin’ny Filoha Tsiranana. Manamarika ny tantara araka izany ny fahatongavan’ny Filoha tao Anahidrano, izay toerana sady nahaterahan’ny Filoha Philibert Tsiranana no tany nilevenany koa.

Fermer