Songadim-baovaoSosialy
FAHA 65 TAON’NY FAHALEOVANTENA : Hotanterahina eny amin’ny Lac Iarivo ny Afomanga lehibe
« Fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana », io ny tarakevitra voafidy entina hankalazana ny faha 65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny Foloalindahy malagasy, izay nampahafantarina tamin’ny fomba ôfisialy omaly maraina, tao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina, niaraka tamin’ny sary famantarana. Mizara telo ireo hetsika entina hankalazana izany fiverenan’ny fahaleovantena izany, ka voalohany amin’izany, ireo hetsika ara-javakanto sy kolontsaina, toy ny fampirantiana ny tantara sy sary mirakitra ny tantaran’ny firenena sy ny Foloalindahy malagasy. Eo koa ny tantara an-tsehatra, ny fandefasana horonantsary sy ny fihetsika mirindra isan-karazany. Tsy diso anjara koa ireo fifaninanana ara-panatanjahantena, izay hampisehoana haiady sy fifaninanana ara-panatanjahantena ary ny kermesin’ny Foloalindahy, izay nanana ny lazany tokoa taloha, ary hatao ao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina, amin’ity indray mitoraka ity. Manerana ireo distrika rehetra eto Madagasikara ny fankalazana ny fetim-pirenena, hampiray fo sy saina ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka na dia hanana ny maha izy azy aza, ny fankalazana eto an-drenivohitra. Anatin’izany ny afomanga, izay hatao eny amin’ny Lac Iarivo Ivato sy ny ivon’ny fankalazana ny 26 jona dia ny matso lehibe ataon’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana ao amin’ny Kianjan’ny Barea. Nanamarika moa Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy fa nisy ny Filoham-pirenena vahiny sy ny Minisitry ny Fiarovana vahiny nasaina hanatrika ny fankalazana ka eo am-piandrasana ny fanamafisana ny fahatongavan’izy ireo ny tomponandraikitra mpikarakara.
Tsangambato etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena
Hampiavaka ity faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ity koa ny tsangambato, izay hapetraka eny amin’ny Araben’ny fahaleovantena Analakely. Hifarana ny 27 jona moa ireo hetsi-pankalazana, amin’ny alalan’ny alin’ny Hery fiarovana sy filaminana na ny « Nuit des FDS ». Mahakasika ny fitandroana ny filaminana indray, dia nanambara ny Minisitry ny Foloalindahy, izay nohamafisin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, fa hahetsika avokoa ny mpitandro filaminana rehetra mialoha, mandritra ary aorian’ny fankalazana, mba hifety am-pilaminana avokoa ny vahoaka malagasy rehetra.
Tiana ny manamarika fa nitarika ny fotoana omaly, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, notronin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police Rakotoarimanana Herilala sy ny Minisitra delege misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriantsarafara Andriamitovy, niaraka tamin’ireo delegasiona avy amin’ireo Hery fiarovana sy filaminana, notarihin’ny Filohan’ny Komitim-pirenena manomana ny fankalazana ny 26 jona, ny Jeneraly Rakotondrabary Eric ary ny Talen’ny serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, Ramatoa Andrianarisoa Bodo Hanta Lovasoa.
Rado Harivelo




