PolitikaSongadim-baovao
FAHA-65 TAON’NY FAHALEOVANTENA: Vahoaka maro niray fo sy naneho fitiavan-tanindrazana
Vory lanona tetsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny vahoaka malagasy nankalaza ny faha-65 taona niverenan'ny Fahaleovantena sy nijoroan'ny Foloalindahy malagasy. Nitarika ny lanonana teny an-toerana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, izay sady Filoha faratampon’ny Foloalindahy.
Nankalaza ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena i Madagasikara sy ny Malagasy tsy vaky volo, omaly 26 jona. Niarahaba ny Malagasy tratry ny Asaramanitra, avy amin’ny lafivalon’ny Nosy sy ireo tonga nanoina ny antso tao amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ny Filoha Andry Rajoelina. “Miredareda ao am-pontsika ny afon’ny fitiavan-tanindrazana amin’izao andro manan-tantara izao. Tsy azo hadinoina fa ankasitrahana koa anefa ny ezaka nataon’ireo Razambentsika nitaky, nilofo mba hiverenan’izany fahaleovantena izany. Ary izany indrindra no mahasaropiaro antsika amin’ny tantaran’ny firenena, amin’ny tantaran’i Madagasikara”, hoy izy. Raha mibanjina ery ambony ery isika, dia mahita ny Rovan’i Madagasikara, izay levon’ny afo, dia ny afon’ny sompatra sy ny afon’ny gafy. Ary izay indrindra no nanaovantsika vaindohan-draharaha, satria ankehitriny ny lavenona dia nataontsika nijoro, satria dia vita daholo ny Lapa rehetra ao anatin’izany Rovan’i Manjakamiadana izany, mba ho lova ho an’ny taranaka fara mandimby sy ny tantaran’i Madagasikara, raha ny fanampim-panazavany.
Nasongadiny fa “teto amin’ity kianja ity koa no nanambarana ny fiverenan’ny fahaleovantena, tamin’ny taona 1960. Izany rehetra izany koa no nanaovantsika ezaka, mba ho reharehan’ny Malagasy izao kianja izao, ary nohavaozintsika manaraka ny toetr’andro”. Nankalazaina omaly koa, ny faha-65 taona nijoroan’ny Foloalindahy malagasy. “Koa amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy tsy vaky volo no iarahabako anareo Foloalindahy malagasy amin’izao andro mana-danja izao”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
Mendrika fankalazana…
Nanentana ny Filoha fa “aoka ny filamatry ny Repoblikan’i Madagasikara hiredona mafy ao am-ponareo tsirairay avy. Ary izany indrindra no nahatonga ny lohahevi-dehibe izay nosafidiantsika hankalazana izao fetim-pirenena izao, ary iombonan’ny Malagasy rehetra, dia izao : “Ny fitiavana Tanindrazana no mitarika fandrosoana”. 65 taona, tsy azo lalovam-potsiny izany fa mendrika fankalazana ho mariky ny fahamatorana ara-tantara. Kihon-dalana ihany koa maneho fahavononana hiatrika ho avy mamiratra, izay hilofosana ho an’ny Malagasy rehetra.
Ny Malagasy vonona, ny firenena vonona, ary Madagasikara tsy maintsy mivoatra, ary Madagasikara tsy maintsy mandroso. Izany no tarigetra apetraka. Nitodika manokana ny Foloalindahy izy sady nametraka hafatra. “Ry Foloalindahy, miantsoroka adidy masina eto amin’ny tany sy ny firenena ianareo. Tandroka aron’ny vozona, miaro ny vahoaka sy ny fananany, aro sy rakitry ny tany, manohana sy miandrandra hatrany ny fiandrianam-pirenena. Mitaky fitiavan-tanindrazana sy fanoloran-tena mihavao isan’andro isan’andro izany adidy lehibe izany”, hoy izy. Taorian’izay dia nanontany ny fahavononan’ireo Foloalindahy ny Filoha, mialoha ny niantombohan’ny matso lehibe, fanao isan-taona.
Pierre M.




