SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FAHA-90 TAONAN’NY RNM: Notokanana ny Studio vaovao « Solo Ramarolahy »
Studio na efitrano fitenenana sy fandraisam-peo vaovao ho an’ny sampana fampahalalam-baovaon’ny RNM ny “Studio Solo Ramarolahy”, izay notokanana omaly. Efitrano izay natao ho tsangambato faharoan’ny fankalazana ny faha-90 taonan’ny Radio Madagasikara na ny RNM, taorian’ny nahavitana ny tsangambato voalohany dia ny « Studio Vahandanitra » famokarana tantara filalao amin’ny onjampeo.
Studio raitra, manaraka ny vanim-potoana ankehitriny ary mamaly ny filàna amin’ny tontolon’ny teknolojia vaovao momba ny fifandraisana ny Studio vaovao “Solo Ramarolahy”, izay vao notokanana omaly. Natokana ho an’ny sampana fampahalalam-baovao ao amin’ny Radio Madagasikara (RNM) ity studio ity, izay hanampy betsaka ireo mpanao gazety amin’ny asan’izy ireo ary hanamora ny fanomanana sy ny famokarana fandaharana mifandraika amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Ity no Studio fahatelo namboarin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ho fanatsarana hatrany ny Radio Madagasikara, ankoatra ny studio « Vahandanitra » notokanana ny volana Jolay 2021 izay natokana ho an’ny famokarana tantara, sy ny studio fandefasana fandaharana mivantana.
Fanamby goavana no vita tao anatin’izay telo taona nitantanana ny departemanta misahana ny Serasera sy ny Kolontsaina izay, hoy Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, indrindra ny asa samihafa nentina nanavaozana ny ORTM amin’ny ankapobeny, tafiditra ao anatin’izany ny TVM sy ny RNM. Tanjona napetraky ny Minisitera amin’ny alalan’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny hameloma-maso ny haino aman-jerim-panjakana mba tsy ho mena mitaha amin’ny haino aman-jery tsy miankina, ka ho afaka hisehatra amin’ny tontolon’ny fifaninanana.
Mpiasan’ny RNM nanomboka ny taona 1982
Fitaratr’ireo mpanao gazety taty aoriana amin’ny fahaiza-manao manokana nananany teo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety I Solo Ramarolahy. Teraka ny taona 1957 izy, ary nodimandry ny taona 2019. Ny taona 1982 izy no niditra niasa tao amin’ny Radio Madagasikara raha vao 25 taona monja. Ary nandany ny fotoanany tao amin’ny RNM. Nitondra ny teny fisaorana ho an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, araka izany, ny fianakavian’i Solo Ramarolahy, amin’ny fanomezana voninahitra azy. Nankasitraka ihany koa ny asa natokana ho an’ny sampana fampahalalam-baovao ny tompon’andraikitra misahana ity sampan-daraharaha ity eo anivon’ny RNM, amin’ny fahazoana izao fampitaovana raitra izao. « ORTM mitodika amin’ny ho avy » : izay no lalan-tsaina napetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hanatanterahana ireo fanatsarana sy fanamboarana rehetra izay mbola hatao. Nandritra ny fitokanana ity studio vaovao ity ihany koa, dia nitsidika ny asa fanamboarana sy fanatsarana rehetra efa natao teo anivon’ny RNM Ramatoa Minisitra.
Omaly no notontosaina tetsy amin’ny ORTM Anosy ny lanonana nitokanana ary nanolorana ofisialy ny Studio vaovao nampitondraina ny anaran’ny mpanao gazety sangany tao amin’ny Radio Madagasikara « Solo Ramarolahy ». Ity farany izay nisantarana avy hatrany ny fandaharana « Tsy ho Tompon-trano Mihono » omaly.
Nangonin’i LR.
*Loharano: MSK




