Songadim-baovaoSosialy
FAHABETSAHAN’NY ROTSAK’ORANA: Hahazo vahana hatrany ny oram-baratra ato anatin’ny telo andro manaraka
Anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka isika eto Madagasikara amin’izao fotoana. Tsy mbola misy hatreto, filazana fisiana rivodoza mihaodihaody any amin’ireo fari-dranomasintsika, raha ny vaovao voaray farany teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Fantatra ary, fa mbola hahazo vahana hatarny ny oram-baratra ato anatin’ny telo andro, izany hoe manomboka anio 13, 14, ary 15 febroary 2025, raha ny vinavinan’ny Météo malagasy. Eo anatrehan’izay fiavian’ny oram-baratra ato anatin’ny hateloana izay, dia saika hahazo izany manerana ny Nosy, ary mety hanatombo kokoa ho an’ny tapany atsimon’ny Afovoan-tany, ka hahatratra 40 hatramin’ny 80mm ny rotsak’orana andrasana ato anatin’ny 24 ora. Raha ny omaly fotsiny, dia fantatra, fa efa nahazo ny filazana miloko mena na loza mitatao ho an’ny fahabetsahan’ny rotsak’orana io ny ao amin’ny tapany Atsimon’ny Faritra Analamanga, ny Distrikan’Anosibe An’ala, Marolambo, Ifanadiana, ny ilany atsinanan’ny Faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, ary Vatovavy Fitovinany. Raha ny mety ho fiantraikan’izay fisiana oram-baratra izay dia ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavanandro, fiandronan’ny rano amin’ireo toearna mora tondraka, fiakaran’ny renirano, ary fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo. Entanina hatrany ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana eny ifotony.
Nangonin’i Stan R.




