PolitikaSongadim-baovao
FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY : Tsy maneho ny zava-misy marina eto Madagasikara ny filaharana navoakan’ny RSF
Any amin’ny laharana faha-98 no misy an’i Madagasikara eo amin’ny filaharana maneran-tany amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, raha ny tatitra navoakan’ny Reporters sans Frontières (RSF) nivoaka omaly. Izany hoe, nihemotra laharana hatrany amin’ny 40 isika, raha io filaharana io. Sanganehana ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) omaly, raha nanontaniana momba ity tatitra ity. Ny MSK izay nilaza fa tsy maneho ny tena zava-misy marina eto Madagasikara iny filaharana navoakan’ny RSF iny.
Nihemotra laharana 40 i Madagasikara tamin’ny filaharana maneran-tany momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, araka ny filaharana navoakan’ny Reporters sans Frontières (RSF) omaly 03 Mey 2022. Raha toa ka tany amin’ny laharana faha 57 no nisy antsika ny taona 2021, tamin’ity taona 2022 ity dia laharana faha-98 no nisy an’i Madagasikara. “Taitra sady gaga izahay raha nahita iny filaharana navoakan’ny RSF nivoaka androany (ndlr: omaly) iny”, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina , Lalatiana Andriatongarivo, omaly raha nanisy resaka mahakasika ity tatitra ity. Nampametra-panontaniana, hoy izy, hoe inona no loatra no tena antony?
Nilaza ny Minisitra fa rehefa tena nojerena ny tatitra izay navoakan’ny RSF dia nisongadina tao fa nisy fiovana ny fomba fanasokajiana nanaovana ny tombana, sy teo amin’ny mason-tsivana. “Lasa nisy fakan-kevitra tamina karazana vondron’olona manampahaizana eo amin’ny lafiny toekarena, politika, sosialy, kolontsaina, ary ny lafiny lalàna… Ireo olona ireo no manome ny heviny”, hoy ny fanazavana. Mazava ho azy, miankina amin’ilay olona nanontaniana ny fanehoan-keviny. Nilaza ny teo anivon’ny MSK omaly fa tsy nahalala mihitsy ny fisian’io fakan-kevitra io. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe “Iza ilay olona nanontaniana?” Tranga izay efa hahitana taratra hoe “Hatraiza no tena azo inoana ity tatitra nivoaka ity?”
Ankoatra izay koa anefa, noho io fomba fiasa niova io, dia ny teo anivon’ny RSF ihany no nilaza fa mila mitandrina amin’ny fampitahana ny zava-misy eo amin’ny tarehimarika tamin’ny taona 2021 sy ny taona 2022.
Fijoroana vavolombelona diso? lalàna 2016-029?
Tetsy ankilany, voalaza tao anatin’ny tatitra momba an’i Madagasikara manokana, fa isan’ny nampihemotra ny filaharantsika ny nampiasan’ny TVM sy RNM fijoroana vavolombelona diso, izay nandiso ny vaovao navoakan’ilay mpiasan’ny France 24 eto amintsika. “Izany hoe, tonga dia milaza avy hatrany izany ny RSF fa diso ny vaovao navoakan’ny TVM sy ny RNM, fa ny zavatra navoakan’ilay mpanao gazety vahiny no avy hatrany dia marina. Fa ahoana no ahafahan’ny RSF milaza hoe iza no marina na iza?”, hoy ny Minisitra omaly raha namaly ity resaka ity.
Ankoatra izay, rehefa nojerena ny tatitra dia mbola ny lalàna mifehy ny serasera laharana 2016-029 no noresahana ao amin’ny antontam-baovao mikasika an’i Madagasikara. Izany hoe, tsy nasian’izy ireo resaka mihitsy ilay fanovana lalàna nataon’i Madagasikara. Tsara anefa ny manamarika fa efa ny lalàna 2020-006 no mihatra eto Madagasikara, izay mifehy ny tontolon’ny serasera amin’ny haino vaky jery, nanomboka ny Septambra 2020. Ny RSF anefa dia mbola mitsara tamin’ilay lalàna 2016-029 nataon’ny Fitondrana teo aloha izay namono ny fahafahana. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe hatraiza no azo itokisana ity tatitra ity?
Ny Fanoratana.




