PolitikaSongadim-baovao

FAHALALAHAN’NY SEHATRY NY TOAKA GASY: Nolanian’ny Depiote ny tolo-dalàna ho fanomezan-danja ny kolontsaina sy toekarena

Nafana ny ady hevitra ary naharitra ora maro, teo anatrehan’ny fandinihana ny andininy faha-36 sy 37-n’ny Tolo-dalàna momba ny Toaka gasy izay natolotry ny Solombavambahoaka lany tao amin’ny Distrikan’Ambositra, Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges, omaly, teny amin’ny Antenimierampirenena. Lany nasiam-panitsiana araka izany, ity tolo-dalàna ity…

Ny Depiote Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges nitondra ny tolo-dalàna.

Ny Toaka gasy, izay manan’ny anjara toerany eo amin’ny lafiny kolontsaina sy toekaren’ny firenena malagasy, raha ny nomarihan’ny mpanolotra ny lalàna. Manan’ny tanjony manoloana izany io tolo-dalàna natolotra sy nolaniana omaly io, dia ny fahalalahan’ny sehatry ny toaka gasy, arahin’ireo fepetra isan-karazany mba tsy hisian’ny baranahiny. Anisan’izany ny fitandroana ny kolontsaina malagasy izay voizin’ny toaka gasy, ny fanomezan-danja azy amin’ny fanatsarana ny kalitao sy ny vidiny eny an-tsena, ny fametrahana ny fenitra eo amin’ny famokarana azy, fa indrindra ny fametrahana ireo rafitra mahefa hampihatra io tolo-dalàna io. Eo koa ny fepetra hanomezana lanja hidiran’ny sehatry ny toaka gasy, toy ny fanamafisana ny fampidiram-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy eny amin’ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (Kaominina). Misy ihany koa ny antsipirihany izay hita ao amin’ity tolo-dalàna ity, toy ny fifehezana ny famokarana sy famarotana toaka gasy, fa indrindra ny fisorohana ny fanjifana azy, izay mety hampidi-doza ho an’ny fahasalaman’ny mpanjifa, dia ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa, ny fanamafisana ny fampahafantarana ny vokatra amidy, ary ny toromarika ho an’ny fisorohana ara-pahasalamana. Anisany zava-baovao entin’io tolo-dalàna io ihany koa, raha mitaha amin’ireo efa nentin’ireo Solombavambahoaka teo aloha, dia ny fametrahana fepetra maro samihafa hahafahana mivarotra toaka gasy, ny fanaraha-maso azy ireny eny an-tsena amin’ny mety hisian’ny fandikan-dalàna, sns.

Nahitsy ny andininy faha-36 sy 37

Taorian’ny famakiana ny Asam-baomiera natao momba io tolo-dalàna io tany am-piandohan’ny fivoriana omaly, dia nirosoana ny adihevitra. Solombavambahoaka maromaro no nandray fitenenana, izay nilaza miara-mahita ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy, fa indrindra ireo tantsaha mpamokatra amin’ity toaka gasy ity. Ny indrokely tsikaritr’izy ireo dia ny fisiana soratra hoe “fanagadrana” ao anatin’ny andininy faha-36 sy 37. Ny andininy faha-36 izay nilaza fa raha mpamokatra ka mampiditra laro mety hitarika fahafatesana anaty toaka gasy novokarina dia voasazy mandoa lamandy ary mety hampiditra am-ponja. Ny andininy faha-37 teo aloha koa nilaza, fa ny fanamboarana toaka gasy dia tsy tokony hivaona amin’ny fomba namokarana azy tany am-boalohany sy araka ny zava-misy ao amin’ilay toerana. Lazaina an-tsoratra eny anivon’ny kaominina izany mba hahazoana fahazoan-dalana hamokatra. Ny mivaona amin’izany anefa, dia miteraka fandoavana lamandy miampy fanagadrana. Anisany nanipika ireo andininy roa ireo ny Depiote Paichard Velomihoatra, voafidy tany Farafangana, sy ny Depiote Haja, voafidy tao Mananjary, sy ny sisa hafa. Nambaran’izy ireo, fa ankoatra ny tsy fanomezana fahalalahana voalazan’ireo andininy, dia manome vahana ny kolikoly fanaon’ny mpitandro filaminana any ambanivohitra izany. Rehefa resy lahatra ny rehetra, dia nohitsiana ireo andininy roa voalaza, tamin’ny alalan’ny Filohan’ny vaomieran’ny lalàna eny amin’ny Antenimierampirenena, Depiote Raby Savatsarah, ka ny fandoavana lamandy no nohamafisina tao anatin’izany. Marihina, fa miisa 49 ny adinin-dalàna mirakitra ity tolo-dalàna ity, ary andininy vitsy tamin’ireo ihany no “nolaniana tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana” nandritra ny asam-baomiera, ary izao nolaniana nasiam-panitsiana izao, dia ny Tolo-dalàna laharana faha-001-2025/PL momba ny famokarana sy ny famarotana toaka gasy eto amin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy, izay natolotry ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Ambositra, Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges. Marihina, fa efa nodinihina sy nolaniana indroa teny anivon’ny Antenimierampirenena, tamin’ny alalan’ny Depiote Jao Jean, sy ny Depiote Jean Brunel Razafitsiandraofa, ity tolo-dalàna momba ny toaka gasy ity, talohan’izao nahalany azy fanintelony izao. Niaraha-niasa tamin’ireo teknisianina avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fitsarana moa io tolo-dalàna io, na tany amin’ny asam-baomiera na teo amin’ny fivoriam-be azon’ny besinimaro natrehina.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer