Toekarena
FAHALOTOAN’NY RANOMASINA: Antony mampihena ny vokatra jono
Mandrakotra ny 75%-n’izao tontolo izao ny ranomasina, araka ny fampahafantarana avy amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Ny ranomasina izay sady manampy amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro no mitroaka ny 30%-n’ny CO2 koa. Ankehitriny anefa, tandindomin-doza ny morontsirak’I Madagasikara sy ireo harena an-dranomasina noho ny fahalotoana ateraky ny fako pilasitika. “Tombanana hahatratra 50 hatramin’ny 130 tapitrisa Taonina isan-taona ny fako pilasitika very any anatin’ny ranomasina alohan’ny 2025. Fantatsika anefa fa ny fako pilasitika dia maharitra 400 taona vao levona”, hoy ny fanazavana.
Eo anatrehan’izany, tsy maintsy hamafisina ny fanentanana ny mponina, indrindra ireo mipetraka anyv amorontsiraka amin’ny tokony hitandrovana hatrany fahadiovan’ny ranomasina. Ho an’ny ao amin’ny Faritra Boeny, araka ny tatitra avy amin’ny Fikambanana Mahajanga Ville Propre (AMPV), dia manodidina ny 100 Taonina isan-taona ny fako very any an-dranomasina ao amin’ny Petite Plage Amborovy. Vokatr’izany dia mikorontana ny tontolo an-dranomasina sy ireo rohi-piaina anaty rano ary mihena ihany koa ny vokatry ny jono izay iankinan’ny fiharian’ireo mponina any an-toerana. Nisy araka izany ny fanentanana ireo mponina sy mpivarotra manodidina ny Petite Plage izay nataon’ny DIREDD Boeny Betsiboka niaraka tamin’ny tetikasa WIOSAP ny sabotsy teo, mahakasika ny fiarovana ny ranomasina amin’ny fahalotoana ateraky ny fako pilasitika. Mba ho fiaraha-mientana amin’izany dia hanolotra fitaovana entina manangona ireo fako toy ny dabam-pako, sobika sy sarety ny AMPV, ny tetikasa WIOSAP, ny PAZC ary ny Kaominina Mahajanga. Homen-danja ihany koa ny fampiharana ny dina entina mampandray andraikitra bebe kokoa ireo olona eny ifotony amin’ny fikajiana ny tontolo iainana, araka ny fanazavana hatrany.




