Songadim-baovaoSosialy
FAHAMAIZANA TAO AMBOHITANTELY ANKAZOBE : Lehilahy iray ahiahina ho nandoro nosamborina, natao Tagnamaro ny famonoana ny afo
Mbola nifandrimbonana tamin’ny alalan’ny Tagnamaro ny famonoana afo tao Ambohitantely Ankazobe hatramin’ny omaly. Nanodidina ny 600 ireo tsara sitrapo niara-nientana tamin’izany. Raha ny fanadihadiana, dia samy milaza ireo tomponandraikitra any an-toerana fa niniana natao ny fandoroana. Afakomaly, lehilahy iray 33 taona no tratra niaraka tamin’ny “briquet” sy solitany tao amin’ny faritry ny ala, izay efa natao famotorana.
Mbola mitana ny sain’ny maro ny fahamaizana ao Ambohitantely Ankazobe ! Raha ny fanadihadiana, samy nilaza ireo tomponandraikitra ao an-toerana, fa misy manao fanahy iniana mandoro io toerana io, satria ao anatin’ny fotoana amonoana ny afo, misy toerana hafa mirehitra indray ao amin’ny faritry ny « Réserve spéciale », izay heverina fa tsy mifandray amin’ny faritra efa misy afo mihitsy, izany hoe, tsy afo miitatra. Tsy manana olona ahiahina anefa izy ireo fa ny Tale dia nametraka taratasy fitoriana olon-tsy fantatra ary mitory izay nandoro ny toerana sy izay rehetra mpiray tsikombakomba aminy. Ny afakomaly, tokony ho tamin’ny 10 ora misandratrandro, ny Kaomisera avy ao amin’ny Polisy nasionaly misahana ny andraikitra talen’ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana, raha avy nametraka polisy hanara-maso tany amin’ny faritra avaratra andrefan’ny ala arovana, dia nahatsikaritra lehilahy iray nandeha maika ary niditra tao anaty ala. Rehefa nojerena io olona io, dia nahitany « briquet » iray sy solitany iray litatra ary nitondra trondro maina maromaro sy hazo maty lavalava iray, ka nampiahiahy azy ary nosamborina ka natolotra ny mpanao famotorana. 33 taona io lehilahy io, monina ao Antsahamivetraka, fokontany Ambatoharanana, kaomina Ambolotarakely, tanàna anisan’ny manakaiky ny niandohan’ny afo, tanàna fonenany. Rehefa nohenoina izy, nilaza fa mpivarotra ary entana hamidiny nalaina tany Firarazana ireo entana ireo, fa ny « briquet » dia hitany teny an-dalana. Nanazava koa izy fa manitsy ao anatin’ny ala arovana no lalan’izy ireo mody, nefa noho ny fisian’ny afo no nahatonga azy namonjy lalana hafa tany amin’io toerana nahitana azy io. Nanamarina ny mpiray tanàna aminy fa mpivarotra izy ary anisan’ny nandray anjara hatrany tamin’ny famonoana ny afo. Mbola namono afo izy ny 12 oktobra 2022. Notazonina natao andrimaso ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria nasionaly ao Ankazobe io olona io. Nanamarika ny Tale ao an-toerana, fa mirefy 5600 Ha ny velaran’ny « réserve spéciale » ka ny 1800 Ha amin’io no misy ala. Raha atao ny tombantombana, eo amin’ny 400 ha eo ho eo ny ala may hatramin’ny 13 oktobra 2022.
Tagnamaro famonoana afo
Tetsy ankilany, manodidina ny 600 isa ireo mpirotsaka an-tsitrapo nanolotena ny hamono afo tany Ambohitantely Ankazobe omaly, izay teo ambany fitarihan’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ary ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolotsaina. Tamin’ny alalan’ny Tagnamaro no nanaovana ny asa. Araka ny fanazavana dia nizara roa ireo ekipa tonga tany an-toerana, ka ny “zone 1” nosahanin’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, raha toa ka niandraiketan’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy ny “zone 2”. Araka ny fanazavan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, izay nitarika ny tao amin’ny “Zone 1”, dia efa voafehy ny lelan’afo be. Ireo otrikafo kosa no mbola tsy maty. “Ny fisian’ny afo any ambany hazo, bozaka, ravinkazo, no nampanano sarotra ny taty amin’ny “zone 1”. Mora miitatra ireny, nefa sarotra vonoina”, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ity farany izay nanao antso avo ho an’ny olom-pirenena mba tsy handoro ala, na fanahiniana izany na tsia, toy ny tavy. Misy koa ireo mandoro tanety ho an’ny biby fiompy, hoy izy, sy ny mandoro tanety ho an’ny voly vary an-tanety. Ireny rehetra ireny dia mila hitandremana avokoa, hoy hatrany izy.



