Songadim-baovaoSosialyToekarena
FAHAMAIZANA TAO ANKARAFANTSIKA: Dimy andro taty aoriana vao maty ny afo
Tsy mbola misy afaka mamaritra mazava hatreto na firehetana niniana natao na vokatry ny tsy fitandremana ny nahatonga ny fahamaizana tao amin’ny valanjavaboaharin’Ankarafantsika. Hatramin’ny omaly, nanano sarotra ny famonoana ny afo tany amin’ity toerana ity noho ny hamafin’ny fitsokan’ny rivotra izay mahatratra hatrany amin’ny 22km/ora. Ny harivan’ny omaly ihany anefa no fantatra fa maty tanteraka ny afo, araka ny fampitam-baovao voaray.
Velarantany amina hektarany maro no may vokatry ny doro tanety tsy fanta-piaviana, nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny faritry ny valanjavaboaharin’Ankarafantsika. Hotohoto tanteraka ireo ala naniry nolalovan’ny afo. Vantany vao niseho ny voina dia efa nifanome tanana ireo fokonolona eny ifotony, niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny.
Dimy andro taty aoriana anefa vao maty ny afo, izany hoe omaly hariva. Anjatony hektara no efa lasa lavenona, araka ny tombatombana. Olon-tsotra, mpamonjy voina, mpitandro filaminana, mpianatra, mpirotsaka an-tsitrapo sy ny sisa maro hafa, no nifarimbona tamin’ny famonoana ny afo, saingy tsy nety maty izany. Marihina fa toerana telo samihafa no nisehoana fahamaizana tato anatin’ny dimy andro izay, tao amin’ny Faritra Boeny. Isan’izany ity nitranga tao Ankarafantsika ity, eo koa ny ao amin’ny toerana misy ny fambolenkazo iarahan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ireo orinasa tsy miankina na Fiangonana na Fikambanana ao Mahajanga, ary ny fahamaizana miseho ao amin’ny manamorona ny Lalam-pirenena fahefatra (RN4) PK30.
Isan’ireo efa nidina tany an-toerana ny Governoran’ny Faritra Boeny, sy ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an’ny Faritanin’I Mahajanga. Nandritra izany no nanipihan’ny Governoran’ny Faritra Boeny fa tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Filoha Andry Rajoelina ny hanamaitso indray an’i Madagasikara, ka ny fisian’ny trangana firehetana goavambe toy izao dia sakana tsy hahafahana manatratra izany, ka ilàna fitandremana sy fiaraha-mientana avy amin’ny rehetra.
Vahaolana ny fampiasana angidimby…
Naneho hevitra omaly ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Baomihavotse Vahinala Raharinirina, fa efa tsy mahomby intsony ny fitaovana fampiasantsika amin’ny famonoana afo, indrindra ny fampiasana ny rantsakazo. Tsy maintsy mitady vahaolana vaovao isika, araka ny nambarany, mba hiatrehana ny trangan-javatra tahaka izao. Isan’ny vahaolana narosony, noho izany, ny fananana angidimby hahafahana mamono afo. Rehefa tsy misy, hoy izy, ny trangana firehetana dia azon’ny sehatra hafa hampiasaina ny angidimby, toy ny fizarana fanafody, ny ady amin’ny asan-dahalo, sy ny sisa.
Etsy ankilany, nambaran’ity Minisitra ity fa mitovy amin’ny firenen-drehetra ihany isika, mizaka ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, izay antony mahatonga sy mampiitatra ny trangana firehetana tahaka izao. Ankoatra izay anefa, isan’ny novakian’ny Minisitra bantsilana ihany koa ny mahakasika ireo mpifindra mponina avy any Atsimo, izay mipetraka manamorona ny faritra arovana matetika. Izy ireny rehefa tonga amin’ny toerana hipetrahany dia miroso amin’ny fanaovana tavy sy doro ala, izay mitarika amin’ny fahamaizana matetika. Tranga izay nambaran’ny Minisitra ihany koa fa tokony hijerena vahaolana, satria ny Lalàmpanorenantsika dia tsy mandrara velively ny fahafahan’ny teratany malagasy mifamezivezy eto amin’ny tanin’ny Repoblika.




