Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FAHAMAIZANA TENY AMIN’NY « PETITE VITESSE » : Tranombarotra telo lasibatra, vokatry ny tsy fitandreman’ny sasany
Tranom-barotra miisa telo no lasibatry ny firehetana teny amin’ny « Petite vitesse », omaly hariva tokony ho tamin’ny 06 ora latsaka 10 minitra. Trano fivarotana zava-maneno sy kojakoja fitaovam-panazavana avy amin’ny herin’ny masoandro (panneaux solaires) ireo niharan-doza, ireo tranom-barotra telo, raha ny fantatra. Raha ny fampitam-baovao voaray avy tamina loharanom-baovao iray, dia vokatry ny tsy fitandreman’ny manodidina ivelan’ireo tranom-barotra lasibatra, no niantombohan’ny afo, tamin’ny alalana “soudure electrique”. Maro arak’izany ny fahavoazana naterak’ity firehetana teny an-toerana ity, ary soa fa nalaky ny teo anivon’ny Mpamonjy voina izay teo akaiky teo, raha tsy izany zava-doza indray no nafitsok’ity doro ity. Eo rahateo ny fiovan’ny toetrandro, izay mamoaka rivotra mitsoaka mafy no sady mangatsiaka amin’izao fotoana ririnina efa tafiditra izao. Tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy tao anatin’ity loza teny an-toerana ity. Tsy mbola voafaritra kosa, ny teti-bidin’ny entana ravan’ny afo tao anatin’izany. Ny teo anivon’ny kaomisarian’ny Boriborintany I etsy Analakely no nitandro filaminana manodidina teny amin’ity fahamaizana ity.
Stan R.



