Songadim-baovaoSosialy

FAHASALAMAM-BAHOAKA : Foana ny lefakozatra eto Madagasikara

Nambara tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny fivoriambe nontanterahan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny OMS, tany Genève omaly, ny fahafahan’i Madagasikara tanteraka amin’ny valanaretina lefakozatra na «Poliomyélite». Anisan’ireo manatrika izany fivoriana izany any an-toerana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Pr. Randriamanantany Zely Arivelo. Midika izany fa fandresena lehibe ho an’ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasika io fanafoanana ny lefakozatra eto amintsika io.

Manaporofo ny fahombiazan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay napetraky ny Filohampirenena ny fihoarantsika amin’izao dingana izao. Tsy hadinoina ihany koa ny fanohanan-dRamatoa Mialy Rajoelina izay vadin’ny Filoha no sady Reny mpiahy ny fanaovana vaksiny eto Madagasikara. Ny haitarika napetrany dia nanome lanja hatrany ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza. Ny fampiharana ireo paikady roa ireo dia nahafahana nitondra vokatra tsara amin’ny fanafoanana ny lefakozatra. Nandritra ny herin-taona mahery mantsy dia tsy nahitana trangan’aretina lefakozatra intsony teto amin’ny Nosintsika. Nifanindran-dalana tamin’izany anefa dia notohizana hatrany ny fanaovana vaksiny ny zaza malagasy rehetra tsy ankanavaka. Asa mivaingana, araka izany, no notanterahana ka nahazoana io vokatra tsara io. Zaza maherin’ny 19 tapitrisa isa no voaaro tamin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer