SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FAHASALAMAM-BAHOAKA : Hirosoana ny fananganana, fanaozavana ary fampitaovana ireo fotodrafitrasa

« Fahasalamana ho an’ny rehetra, amin’ny fotoana rehetra”, io Velirano fahadimy nataon’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny vahoaka malagasy. Ankehitriny, miroso amin’ny fanantanterahana tanteraka izany fanamby izany ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Minisitera tomponandraikitra. Isany paikady hirosoana, amin’izao fotoana, ny fananganana sy fanavaozana ary fampitaovana ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana maro manerana ny Nosy. « Adidin’ny Fanjakana ny manangana fotodrafitrasa sy miandraikitra ny fampitaovana azy ireny. Tsy azo adinoina ihany koa anefa fa manana anjara andraikitry ny mpitantana sy isika vahoaka amin’ny fikolokoloana ireny foto-drafitr’asa sy fitaovana iombonana ireny mba hiasa tsara araka ny niheverana azy ary, haharitra ho lovain’ireo taranaka aman-jafy », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy mikely soroka amin’ny fikolokoloana sy ny fampitaovana ireo foto-drafitr’asa ara-pahasalamana eto amintsika, noho izany, ny eo anivon’ny Minisitera tomponandraikitra, izay eo ambany fitarihan’ ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis.

Ilàna fikolokoloana

Anisany asa vao natao izao, ny Faran’ny Taona lasa teo, ny fanolorana « Climatiseur » sy « Bistouri éléctrique » ho an’ny CHRD Bongatsara. Teo ihany koa ny fametrahana « panneaux solaires » ho an’ny CHRD Anosy Avaratra, ny CHRD Moramanga ary ny CHRD Andilamena izay vokatry ny Fiarahamiasa tamin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo. Ny fampandehanana indray ny « scanner » ho an’ny CHU Mahavoky Atsimo sy ny fampitaovana ny « Bloc opératoire » ny Hôpitaly Manarapenitra Mahajanga. Ny fanavaozana sy fampitaovana ny « Bloc operatoire » sy ny « Batiment Pneumologie » ary ny Laboratoara « Genexpert » ny CHU Tambohobe Fianarantsoa. Ny fanavaozana ny CSB Mahazaza. Teo ihany koa ny fanolorana « microscope » ho an’ny Laboratoara CHRD Andramasina, CHRD Mandritsara, CHRD Befandriana, CHRD Bealanana. Santionany ihany ireo notanisaina ireo fa maro ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana nohavaozina sy nampitaovana nandritra iny taona 2020 lasa iny izay niarahana tamin’ireo mpiara-miombona antoka avy eto an-toerana na avy any dilambato. « Lesoka lehibe ho antsika Malagasy anefa ny tsy fahaizana mikolokolo ny fananana iombonana. Maro ireo olona tsy menatra akory ny manimba na mangalatra azy ireny. Andeha isika rehetra hifanome tanana, tsy ekena intsony manomboka izao ny fanimbana ny fananana iombonana” hoy ny  Minisitra, araka ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika.

Fermer