Songadim-baovaoSosialy

FAHASALAMAM-BAHOAKA: Manohy tsy tapaka ny asany ireo paramedy manerana ny Nosy

Na dia nisy aza ireo andiany olom-bitsy voalaza fa nitarika hetsika fitakiana amin’ny anaran’ny  Paramedy eto Madagasikara teny amin’ny manodidina ny Hopitaly HJRA Ampefiloha, dia fantatra omaly fa nanohy ny asany araka ny tokony ho izy avokoa ireo paramedy rehetra nanerana ny Nosy. Nohamafisin’ny Filohan’ny Sendikan’ny infirmiera sy ny “sage femme” mpiasam-panjakana eto Madagasikara, Rakotondrazafy Tolotra, omaly, nandritra ny fanatrehan’izy ireo fitokanana ny “maison des infirmiers” teny Befelatanana, fa nitohy ny asa avokoa ireo paramedy  omaly, miainga any amin’ny CSB, CHRD, CHRR, ary ny CHU, indrindra ireo mpiasa birao eny amin’ny minisitera.

“Olom-bitsy mikasa hanakorontana ireo mitarika fitakiana fa tsy mahasakana ny infirmiera sy ny sage femme  maro an’isa hanohy ny asa aman-draharaha andavanandro mba ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka hatrany izany”, hoy ny fanambaran-dRakotondrazafy Tolotra. Notsipihiny fa efa misy sehatra ifampiresahana eo amin’ny sendika sy ny Minisitera itondrana ny hetaheta sy ny olana mianjady arak’asa. Ary mitohy izany fifampiresahana izany . Misy vahaolana efa naroson’ny Minisitera mikasika izany, fa andrasana ampitoniana ny famahana ny olana rehetra miankina amin’ny laharam-pahamehana avy, hoy hatrany Rakotondrazafy Tolotra, Filohan’ny Infirmiera sy ny sage femme fonctionnaire eto Madagasikara.

Araka ny fandaharam-potoana moa dia anio no hanao hetsika firaisankina eny Ambatofotsy, fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao, iombonana ireo infirmiera sy sage femme rehetra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer