Songadim-baovaoSosialy

FAHASALAMANA ARA-PANANAHANA: Nivoaka ny boky torolalana ho an’ny mpitsabo tsotra

Natao omaly tetsy Anosy ny fampahafantarana ny boky "Guide de Gynécologie - Obstétrique pour le Médecin Généraliste" izay nosoratan'ny Docteur Rakotobe Andriamaro Andriantsirombaka. Lanonana teo ambany fiahian-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana ANDRIATONGARIVO, amin'ny maha-mpiahy ny tontolon'ny boky azy, notronin'ireo mpiara-miasa aminy, ary ireo manam-pahaizana mpitsabo samihafa misehatra amin'ity fitsaboana ity.

Tsy misy afatsy 60 hatreto ny isan’ireo dokotera manam-pahaizana manokana momba ny taovam-pananahana sy ny fahasalamana ara-pananahana na ny « Gynécologue » eto Madagasikara, araka ny fanambaran’ny Dokotera Rakotobe Andriamaro Andriantsirombaka. Antontanisa izay tena mbola ambany dia ambany raha mitaha amin’ny filàn’ny mponina. Ireo dokotera tsotra (généraliste) kosa anefa, etsy ankilany, manodidina ny 10 000 isa eo ho eo. Manoloana izany indrindra, nisy ny boky mitondra ny lohateny hoe « Guide de Gynécologie – Obstétrique pour le Médecin Généraliste » izay nosoratan’ny Dokotera Rakotobe Andriamaro Andriantsirombaka izay natao mba hanampiana ireo mpitsabo medecin généraliste satria tsy ampy ny isan’ny Gynécologue Obstétricien eto Madagasikara. Tanjona, araka izany, ny hahafahan’ny mpitsabo tsotra mandray ny andraikitra sahanin’ny « Gynécologue Obstétricien », indrindra any amin’ireo toerana izay tsy misy an’izany. Mifanampy kosa ny généraliste sy ny Gynécologue raha amin’ny toerana efa ahitana azy ireo no miasa ny mpitsabo tsotra. Ny resaka momba ny Gynécologie sy ny Obstétricien dia ho hita ao anatin’ny boky avokoa, hoy ny fanazavana. Ny vidin’ny boky kosa dia 60 000ariary, ary ahitana 250 pejy ao anatiny.

Olana sedrain’ny vehivavy

Raha ny tatitra dia mbola betsaka ny olana sedrain’ny vehivavy eto Madagasikara, raha ny resaka fahasalamana ara-pananahana no asian-teny. Mbola maro ireo vehivavy no maty eo am-piterahana ankehitriny. Tsy vitsy ihany koa ireo vehivavy mbola tsy mahalala an’izany fandrindram-piterahana izany. Hany ka miteraka maro, izay tsy mifanentana akory amin’ny fari-piainany ka lasa vesatra ho an’ny fiarahamonina. Betsaka koa, etsy ankilany, ny vehivavy manana olana any amin’ny taovam-pananana noho ny lesoka mety niseho tamin’ny fotoana niterahany ny zanany teo aloha, ka mahatonga azy hanana olana amin’ny fahazoana zaza manaraka, sy ny fanaovana firaisana ara-nofo tsy amin’ny fotoana mampety azy. Izany rehetra izany no maha zava-dehibe ny fahazoan’ny dokotera tsotra ny fari-pahalalana hahafahany mandray an-tanana ireo marary tonga ao aminy.

Fampiroboroboana ny boky…

Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia manosika ny famoahana boky isan-karazany ary manome sehatra ahafahana mampahafantatra izany eo anivon’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara. Natao omaly tetsy Anosy ny fampahafantarana ny boky « Guide de Gynécologie – Obstétrique pour le Médecin Généraliste » izay nosoratan’ny Docteur Rakotobe Andriamaro Andriantsirombaka. Lanonana teo ambany fiahian-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, amin’ny maha-mpiahy ny tontolon’ny boky azy, notronin’ireo mpiara-miasa aminy, ary ireo manam-pahaizana mpitsabo samihafa misehatra amin’ity fitsaboana ity.

Vonona hatrany ny hanohana ary hanampy tosika ireo mpikaroka Malagasy ka mamadika ny fikarohany ho boky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, hoy Ramatoa Minisitra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Minisitera rahateo ny fameloma-maso sy famerenana ny fitiavana mamaky boky. Nametraka ihany koa ny Minisitera nandritra ny fanamboarana natao teo anivon’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara ny taona 2020, ny Tahalan’ny fandalinana sy ny fikarohana (espace étude et recherche).

Fermer