Fanadihadiana Manokana
FAHASALAMAN’NY NIFY SY NY ATIVAVA: Sakana amin’ny fampiroboroboana azy ny fahalafosan’ny fitaovana enti-mitsabo
Notsiahivina nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny nify sy ny ativava ny maha zava-dehibe ny fikojana izany. Anisan’ny mbola sakana tsy hahafahana mampiroborobo io anefa ny fahalafosan’ny fitaovana enti-mitsabo ho an’ireo dokoteran’ny nify. Vokany, mbola tsy mahasahana ny mponina eto Madagasikara ny antontanisan’ireo mpitsabo nify sy ativava eto amintsika izay manodidina ny 1 400 ankehitriny.
Manana ny anjara toerana lehibe amin’ny fandrindrana ny asan’ny vatana ny nify. Natao hitsakoana sakafo ny nify. Izany hoe isan’ireo fitaovam-pandevonan-kanina izy. Ankoatra io dia manome endrika ny olona tsirairay ihany koa ny nify. Midika izany fa zava-dehibe ary tena ilaina ny fikojakojana ny nify sy ny ativava. Raha toa ka banga na ihany koa misy marary ny nify sy ny ativava dia tsy hahatanteraka ireo anjara asa ankinana aminy ireo.
Mikaikaika ny olona iray rehefa tojo aretina mifandray amin’ny nify sy ny ativava. Zava-misy hita eto amintsika anefa ny hoe malaina hanao fikojakojana nify sy ativava ny olona. Io fikojakojana io ihany no fapetra voalohany hahafahana misoroka izay areti-nify izay. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo dia isaky ny enim-bolana no fe-potoana tsara indrindra hanaovana fikojana ny nify sy ativava any amin’ireo mpitsabo matihanina. Mandritra io fotoana io no hijerena ny fiforonana lavaka any amin’ireo nify ka raha hita mialoha izany dia voasoroka avy hatrany ny mety ho trangan’areti-nify. Olana eto amintsika anefa ny hoe tsy voahaja io fe-potoana enim-bolana hanaovana fikojakojana io. Rehefa misy nify tsy maintsy esorina na ihany koa rehefa tojo fanaintainana amin’ny ativava izay vao manatona mpitsabo ny olona. Izany hoe tahotra no antony voalohany mahatonga ny olona halaina hanatona mpitsabo nify. Ankoatra io, heverina ho antony hafa ihany koa ny saran’ny tolotra satria 10 000ariary farafahakeliny ny saran’ny fitsaboana nify iray ankehitriny.
Vokatr’izany zava-misy izany dia nambaran’ny dokotera mpitsabo nify iray fa manodidina ny 80%-n’ny mponina eto Madagasikara amin’izao fotoana dia manana olana amin’ny nify sy ny ativava avokoa. Tsara ho fantatra anefa fa mety tonga hatrany amin’ny fahafatesana ny tsy fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Ireo nify marary ka mivonto, ohatra, dia miteraka mikraoby. Miparitaka any amin’ny vatana sy ny taova maro ny mikraoba ka mety hahafaty rehefa tonga any amin’ny fo. Tsy eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana ihany fa misy fiantraikany betsaka amin’ny sehatry ny sosialy sy ny toekarena ihany koa ny tsy fahatomombanana eo amin’ny nify sy ny ativava, hoy hatrany ny mpitsabo. Voatery manapaka fianarana na mampihato ny fitadiavam-bolany mantsy ny olona iray rehefa marary nify. Noho izany indrindra dia mila hamafisina hatrany ny ezaka fanentanana ny olona eo amin’io lafiny fikojana ny nify sy ny ativava io.
Mpitsabo miisa 1 400 manerana ny Nosy
Marihana isaky ny datin’ny 20 marsa moa ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Lohahevitra navoitra nandritra ny andian’ny fankalazana tamin’ity taona ity ny hoe “ativava salama, vatana tomady”. Nosafidiana io lohahevitra io mba hahafahana mampiroborobo hatrany ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ho an’ny vahoaka malagasy. Raha ny zava-misy eto amintsika anefa, mbola maro ny sakana sedraina tsy hahafahana tonga amin’io tanjona io. Ankoatran’ny fahalainan’ny olona manatona mpitsabo dia sakana hafa ihany koa ny fahalafosan’ny fitaovana enti-mitsabo ho an’ireo dokoteran’ny nify. Sarotsarotra ny fahazoana ireo fitaovana ireo na ho an’ny toeram-pitsaboana miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana, hoy ny fanazavana. Sarotra mitovy amin’izay ihany koa, noho izany, ny fidirana amin’ny sehatry ny asa ho an’ireo olona nanaraka fiofanana amin’ny fitsaboana nify. Io no antony iray mahatonga ny mbola fahavitsian’ireo mpitsabo nify sy ativava eto Madagasikara. Manodidina ny 1 400 ny antontanisa ankehitriny izay tsy mbola mahasahana ny vahoaka malagasy rehetra.
Nambaran’ny mpitsabo fa ireo olona any amin’iny tapany Atsinanana sy Atsimo-Atsinanan’ny Nosy iny no tena misedra olana matetika amin’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Heverina ho antony mahatonga izany ny tahan’ny “calcium” ambany amin’ny rano any amin’ireo toerana ireo, kanefa ilaina amin’ny fahasalaman’ny nify izany. Na eo aza izany, “ny ankamaroan’ny Malagasy rehetra mihitsy no misedra olana amin’ny areti-nify sy ny ativava satria marefo ny toekarentsika”, hoy ny mpitsabo. Ambany ny enti-manana manao fikojakojana ny nify sy ny ativava.
Fanentanana sy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana
Ho fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava dia notanterahana tany amin’ny Kaominina Bongatsara, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny fankalazana nasionaly tamin’io herinandro lasa io. Nentina nanamarihana izany ny fanatanterahana fanentanana samihafa momba ny fikojana ny nify sy ny ativava, ary ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana. Anisan’izany ny tolotra fanalàna nify, fampianarana ny fikojakojana ny nify sy ny ativava. Teo ihany koa ireo tolotra mifandraika amin’ny fitiliana diabeta sy fitsapana tosi-drà, fitiliana VIH/SIDA, fandrindrana fiainam-pianakaviana, fitliana homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ary fanaovana vaksiny ny ankizy.
Ankoatra ny teto Analamanga moa, nanatanteraka hetsika fanamarihana ihany koa ireo Faritra hafa. Ohatra amin’izany ny tany amin’ny Faritra Fitovinany. Nisy ny hetsika notanterahana tao amin’ny CHRR Manakara tamin’ny alakamisy lasa teo, notarihin’ny Médecin Inspecteur ao Manakara izay nitondra ny teny fanentanana mahakasika ny fikojakojana ny nify sy ny ativava. Tsapa tamin’ny fahatongavan’izy ireo maro fa liana amin’ny fahasalaman’ny vava ny vahoakan’i Manakara. Nankasitraka ny fananaterahana ireo tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka izy ireo. Ho an’ny tany amin’ny Faritra Amoron’i Mania kosa, olona miisa 437 no nisitraka fanalana nify maimaimpoana natao tany amin’ny Kaominina miisa 5.
Anisan’ireo fanentanana nisongadina nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny nify sy ny ativava ny fampahafantarana ny fomba fiborosiana ny nify sy ny ativava. Atao in-telo isan’andro izany, hoy ny mpitsabo, ary maharitra 3 minitra farafahakeliny ny fiborosiana nify. Ireto manaraka ireto ny dingana arahina amin’izany:
-Borosiana miaka-midina ireo nify anoloana,
-Manaraka ny sisiny roa, havia sy havanana,
-Avy eo ny lafi-nify rehetra manoloana ny ativava,
-Farany ny tampon’ny nify fitsakoana rehetra,
-Borosiana moramora avy eo ny lela sy ny lanilany.
Nomarihin’ny mpitsabo fa soloina isaky ny 3 volana farafahaela ny borosy nisy iray.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




