PolitikaSongadim-baovaoSosialyToekarena

FAHASIMBAN’NY RN2 MATETIKA : Maneho ny maha zava-dehibe ny tetikasa « Autoroute » Antananarivo – Toamasina

Tsy misy tsy resy lahatra ankehitriny fa mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampihodinana ny lafiny toekarena sy ny sosialy eto Antananarivo, eny, manerana an’i Madagasikara mihitsy aza, ny lalam-pirenena faharoa. Mila ijerena vahaolana maharitra, noho izany, ny trangana fahasimbana miseho matetika amin’izao fotoana. Tranga izay toa manome rariny ny tetikasan’ny Fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ny lalambe mikodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.

“Fotoan-tsarotra tahaka izao no hahafahantsika mijery vahaolana maharitra toy ny fametrahana ilay “autoroute“ na ilay lalam-be migodana mirefy 260 km mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, omaly nandritra fanokafana indray ny lalam-pirenena faharoa, taorian’ny fahasimbany. Ity tetikasa “Autoroute” ity, izay tafiditra tao anatin’ireo vina lehibe nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa ho tanterahina amin’ity taona 2022 ity. Mbola nohamafisina indray izany omaly, fa tsy maintsy atomboka amin’ity taona ity ny fametrahana io lalambe mikodana io.

Ny olana amin’ny lalam-pirenena faharoa ankehitriny, dia efa trainainy ny fotodrafitrasa. Nambaran’ny Filoha mihitsy aza omaly fa efa tamin’ny andron’ny fanjanahantany no nametrahana ireny lalana ireny. Amin’izao fotoana, mitombo ny mpampiasa lalana, ka ankoatra ny fahasimbana matetika izay hita, dia tsy vitsy ihany koa ireo lozam-pifamoivoizana miseho amin’iny lalam-pirenena ity. Entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, vary, solika, sy entana maro hafa no miainga avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy mahagaga, noho izany, raha manao tohivakana ny fandehanana amin’ny lalam-pirenena faharoa, izay hany tokana hifandraisan’I Toamasina amin’Antananarivo. Dikany, raha tena hitady vahaolana maharitra tokoa, tsy misy afatsy ny fametrahana io lalambe mikodana io no vahaolana. Lalana izay hirefy 260 km, ary ho vitan’ny fiara madinika ao anatin’ny adin’ny roa sy sasany, raha toa ka adin’ny telo sy sasany kosa izany ho an’ny fiara vaventy.

Vita tao anatin’ny roa andro ny tetezam-by

Na izany aza anefa, vahaolana vonjimaika aloha ny fikojakojana ny lalam-pirenena faharoa amin’ny toerana efa misy azy ankehitriny. Taorian’ny andro ratsy izay niseho ka nahatapaka ny RN2 teo amin’ny PK 108+600 Moramanga, dia efa miverina amin’ny laoniny ankehitriny ny fifamoivoizana. Vita tao anatin’ny roa andro ny tetezam-by na Pont Bailey mirefy 25m ary mahazaka fiara vaventy milanja hatramin’ny 45 taonina.

Notsiahivin’ny Filoha, nandritra ny fanokafana izany indray, fa lalan-drà ara-toekarena ho an’i Madagasikara ity lalam-pirenena ity ka tsy maintsy hatao izay hamahana ny olana farak’izay haingana mba tsy hiteraka fatiantoka goavana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Amin’ny maha avokavok’i Madagasikara an’i Toamasina rahateo dia miantsona ao avokoa ny 95 isan-jatony ny filan’ny vahoaka toy ny entana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro, ny fanafody sy ny sakafo ary ny solika, hoy izy. Ny Filoha izay nisaotra manokana ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Asa Vaventy izay nanara-maso akaiky ny fanafainganana ny fanatanterahana ny fotodrafitrasa ary ireo rehetra niara-nisalahy tamin’izany.

Fermer