Songadim-baovaoSosialyToekarena

FAHATAPAHAN-JIRO FAOBE ANY TOAMASINA: Goavana ny fahasimbana, mitohy ny asa famerenana ny herinaratra

Goavana ny firehetana niseho tamina toby mpanjinjara herinaratra tany Toamasina ka nahatonga ny fahatapahan-jiro faobe tato anatin’ny roa andro izao. Miasa eny an-toerana manao ny fanarenana ny teknisianina. Noho ny fahasarotana hita anefa dia mbola ny ampahany amin’ireo mpanjifa ihany no nisitraka jiro hatramin’ny omaly hariva. Mitohy ny asa fanarenana ary vinavinaina hivaha tanteraka ny olana hatramin’ny anio hariva.

Maizina tanteraka ny tanànan’i Toamasina hatramin’ny alarobia hariva lasa teo. Anton’izany, araka ny fanazavan’ny orinasa Jirama, ny firehetana nahazo ny taribin-jiro ambanin’ny tany ka nahakasika ny tariby mitatitra herinaratra mampitohy ny tobim-pamokarana sy ny foibe fitsinjarana herinaratra (câcle de liaison) ao Toamasina ny lelafo. Nidina avy hatrany eny an-kianja manao ny asa fanarenana ny ekipa teknika ao Toamasina vantany vao niseho ny tranga. Tanjona hapetraka ny hanafainganana ny asa mba hamerenana amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra any amin’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana. Omaly ihany koa, nanapa-kevitra ny nidina tany an-toerana ka nijery ny zava-misy ny mpitantana eo anivon’ny orinasa Jirama, tarihin’ny Tale Jeneraliny Ron Weiss.

Mitohy hatrany, araka izany, ny asa ataon’ireo teknisianin’ny Jirama mifandraika amin’ny fanoloana ireo teribin-jiro may. Tamin’izany indrindra no nahatsapana fa ho sarotsarotra ny asa famerenana ny herinaratra ho an’i Toamasina. Nandritra ny fanesorana ireo tariby ireo mantsy no nahitana tariby ambanin’ny tany hafa indray izay may ihany koa ka mampananosarotra ny asa.
Na teo aza izany, nisy ampahany tamin’ireo mpanifa no efa nisitraka herinaratra hatramin’ny omaly hariva. “Tamin’ny 07 ora sy 12 minitra no tonga tao amin’ny Sous-station Toamasina II ny harinaratra”, hoy ny fampahafantarana. Andrasana aorian’izany ny fitsinjarana amin’ny tambazotra mamatsy ny ampahany amin’ireo mpanjifa ao Toamasina. Mbola mitohy kosa, ankilan’izay, ny asa fanoloana tariby may ary vinavinay haharitra hatramin’ny anio hariva izany. Izany hoe anio hariva vao afaka ny hisitraka herinaratra ireo mpanjifa tsy nahazo jiro ho an’ny fiverenana omaly, toy ireo mpanjifa vaventy.

Noho io fahatapahan’ny herinaratra io koa anefa dia misy fiantraikany amin’ny famatsiana rano any Toamasina izany satria miankina amin’ny herinaratra ny fampiodinana ireo tobim-pamokaran-drano. Vokany, hilaharana ny fahazoana rano fisotro madio any an-toerana. Mahatratra hatramin’ny 2 000ariary ny vidin’ny rano iray “bidon” mavo, raha ny fampitam-baobao any an-toerana. Velon-taraina, noho izany, ireo mponina satria misy fiantraikany betsaka amin’ny asa aman’andraikitr’izy ireo andavanandro io fahatapahan’ny jiro sy rano faobe io.

Sarobidy Sidonie.

Fermer