
Songadim-baovao
FAHATRARANA BASY MIPARITAKA : Tokony hapetraka ny Vaomiera itambarana hanao fanadihadiana
Nahitam-bokany ny ezaka notanterahina momba ny resaka fandriampahalemana tany amin’ny Faritra Matsiatra Ambony iny, ny taona 2019-2020. Basy anarivony no sarona tany an-toerana. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny tena fiavian’ireny basy ireny. Mitondra ny fanehoan-keviny ny Kaomandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena ao Fianarantsoa, ny Jly Tsiketa Bernard, ny amin’ny tokony hisian’ny Vaomiera itambrana hanatanteraka ny fanadihadiana…
Basy miisa 2500 mahery no azo manerana ny Nosy, ny taona 2019-2020. Ny ampahany betsaka amin’ireo basy ireo, izay mahatratra 2129 no azo tao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa. Ny 1657 amin’izany no tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, izay lohalaharana amin’ny fahazoana basy tsy manara-dalàna. Nahitana basy mahery vaika miisa 125, dia nahazoana kalachnikov miisa 51 ka ny 30 amin’ireo mbola azo nampiasaina tsara rehefa avy natao fanandramana. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao anefa, ny tena fiavian’ireo basy mahery vaika ireny, satria misy amin’izy ireny no fantatra fa avy any amin’ny mpitandro filaminana ihany. Rehefa natao ny fanadihadiana sy izay mety ho tohin’ny resaka toby nivoahan’ireny basy ireny, matetika tsy hita vohoka ny valin’ny fanadihadiana. Nanambara ny Kaomandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena ao Fianarantsoa, ny Jly Tsiketa Bernard, fa « misy tokoa ireo basy mahery vaika fampiasan’ny mpitandro filaminana tonga eny am-pelatanan’ireo jiolahy na dahalo na olon-dratsy ». Vokatry ny korontana ara-politika noho ny tsy fisian’ny fifandimbiasana ara-pitondrana no tena nampiparitaka ireny basy ireny. « Nisongadina tamin’izany, ny « Raharaha 2001-2002 », izay tena nivoahana basy marobe tany amin’ireo toerana fametrahana izany. Ho an’ny tao Fianarantsoa, kamiao iray feno basy no niharan’ny fanafihana, nandritra ireny korontana ara-politika 2001-2002 ireny, ka tsy hita avokoa ireo fitaovam-piadiana ireo », hoy hatrany ny Kaomandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena ao Fianarantsoa. Ankoatra ireo, ny fanafihana nataon’ny dahalo ka nahazoan’izy ireo ny basin’ny zandary na miaramila manatanteraka fampandrian-tany any ambanivolo.
Fanohizana ny fanadihadiana…

Ho an’ny eo anivon’ny Zandarimaria, dia misy ny fitanana an-tsoratra mazava ireo basy azo ary anaovana fanadihadiana sy fikarohana ny mombamomba ilay basy, ho an’ireo mpiandraikitra ara-teknika misahana ny fitazonana ny basy. Raha voamarina fa tsy eo anivon’ny Zandarimaria, dia tsy maintsy jerena any amin’ny Tafika ny tohin’izany. Ny manampahefana isan’ambaratonga, dia efa mahafantatra ny dingana amin’ny fanadihadiana momba io resaka basy io. Ny eo anivon’ny Zandarimaria, efa manam-pikasana ny amin’ny tokony hisiana Vaomiera itambarana hanao ny fanadihadiana momba ny fiparitahan’ny basy io, ka ny avy any amin’ny Primatiora no mitarika azy, ary ahitana Tafika, Zandary, polisy manohy ny fanadihadiana, mba hampivoaka marina, ny tena nivoahan’ireny basy ireny. Izany no hatao, hisorohana ny tsy hisian’ny fiparitahan’ny basy eny amin’ireo olon-dratsy. Natao izany, mba hijerena marina ny loharano nivoahan’ireny basy anaovana tatitra izay tratra ireny. Antony mahatonga ny fiparitahan’ny basy ny olana ara-politika, indrindra rehefa misy ny korontana, dia tsy tafapetraka araka ny tokony ho izy ny famindran-draharaha, indrindra ny resaka momba io basy io, izay tena saro-pady tokoa.
Basy nopotehina…

Taorian’ny fanapotehana ampahibemaso natao teo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’i Fianarantsoa, ny alarobia 2 desambra 2020, ireo basy vita tanana tsy ara-dalana, izay tratra tato anatin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Fianarantsoa. Notohizina tao amin’ny garazin’ny CIRGN eny Tsaramandroso izany famotehana basy izany. Araka ny hita tany an-toerana, notapatapahina madinika ny vy tamin’ireo basy ireo raha nodorana kosa, ny hazo mba tsy hahafahana mampiasa azy ireo intsony. Ny famotehana dia tsy nifarana raha tsy potika daholo ireo basy tsy ara-dalàna rehetra.
Antoka iray iverenan’ny fandriampahalemana ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny fahazoana ireo basy marobe, izay efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana. Noho ny fanentanana sy fifandresen-dahatra nataon’ireo zandary nidina an-tsehatra teny amin’ny fokontany, Kaominina, ny eny amin’ny faritra no isan’ny nahazoana ireo basy marobe ireo.



