Trangam-piaraha-monina
FAHATRARANA VARY LO TAO TOAMASINA : Teratany pakistane iray nidoboka am-ponja, vary lo maherin’ny 90 T nodorana
Nidoboka am-ponja vonjimaika omaly, ny teratany pakistane iray, rehefa nahatrarana vary lo tamina mangazay tao Tanandava Toamasina, ny herinandro lasa teo. Olona tsara sitrapo no nampandre ireo manam-pahefana tao Toamasina, fa nisy vary lo, nokendrena hodiovina sy hamidy tao amina trano fitehirizana entana iray tao. Nanodidina ny 1200 gony no sarona tao amin’ity teratany vahiny ity. Taorian’ny fidinana ifotony sy fanadihadiana natao, fantatra fa vary efa simba, tsy azo amidy na hohanina intsony ireo vary ireo, ka nanomboka afakomaly no niroso tamin’ny fandorana izany ny manam-pahefana tao an-toerana. 60 taonina no nodorana tao Antsarimasina afakomaly. Ankoatr’izay, nahitana trano nisy vary lo 450 lasaka hafa, koa tao Barikadimy. Ny 30 taonina tamin’io no nodorana nanomboka afakomaly nitohy omaly. Manara-maso an’io fandorana vary lo io ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, sy ny Talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana Atsinanana, Belalahy Jean Berkmans, izay samy hentitra nilaza fa tsy azo ekena ny fanaparitahana sakafo simba amidy eny amin’ny tsena. Ny fahasalaman’ny vahoaka dia saro-pady. Noho izany, dia tsy maintsy arovana sy tsy maintsy ampiharina ny sazy ho an’ireo mikasa hanaparitaka vary lo eto amintsika.
Efa nahatrarana vary lo hatrany…
Raha tsiahivina, efa nahatrarana vary simba 35 gony tao anaty sambo iray hanainga tao Toamasina ho any Tolagnaro, ny alin’ny 09 hifoha 10 janoary lasa teo. Araka ny angom-baovao, fantatra fa vary mitotaly 30 taonina ana teratany vahiny Indo-pakistanais no nokasaina halefa any Tolagnaro, saingy ny 35 gony amin’ireo dia hita imaso tao ifotony fa simba sy mamoaka fofona mahery. Soa ihany, ny Tomponandraikitry ny Seranana sy ilay sambo no nampandre ny Zandarimaria tao an-toerana sy ireo Tomponandraikitry ny Fadintseranana. Nandraisana fepetra tsy hihetsika sy tsy azo kitihina ilay sambo sy ireo vary mandra-pahavitan’ny famotorana sy didy famotehana.
Ho an’ireo mpandraharaha, ankasitrahana ny fampivoarana sy fampandrosoana entin’izy ireo ho an’i Madagasikara, saingy melohina tanteraka sy enjehina kosa, ny famosaviana ny Malagasy. Anjaran’ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ny miaro ny Vahoaka ka hofongorina ireo minia manaparitaka izany. Ho an’ny vahoaka rehetra, mila mailo ka hitsirika tsara vao mividy vary fa sao hidiran-doza. Entanina isika mba hampandre ny Mpitandro filaminana toy ny Zandarimaria na ny manampahefana akaiky anao indrindra raha mahatsikaritra zavatra mampiahiahy. Efa miezaka mafy ny Fitondram-panjakana amin’ny ady rehetra manoloana ireo fandikan-dalàna miteraka fahalovana toy ny kolikoly sy ny hafa, koa sahia mitoroka fa ho soa iombonana izany.
Pierre M.




