PolitikaSongadim-baovao

FAHATSIAROVANA NY 07 FEBROARY 2009: Niantso ireo mpiara-mitolona tsy hanaiky hosaratsarahana ny Filoha

Heni-kaja, heni-boninahitra ny fahatsiaroravana manokana ny faha-14 taonan’ny tolon’ny 07 febroary 2009 notanterahina omaly teny Ambohitsorohitra. Tonga maro teny an-toerana, niavaka tao anatin’ny lokon’akanjo fotsy, ireo olom-panjakana rehetra niara-nitolona tamin’izany fotoana sy ireo izay mifanohana amin’ny Fitondrana mijoro ankehitriny. Nandritra ny lahateniny no niantsoan’ny Filoha Andry Rajoelina firaisankina ho an’ireo mpiara-mitolona mbola mijoro ankehitriny.

Nisongadina tao anatin’ny lahatenin’ny Filohampirenena nandritra ny fahatsiarovana ny tolon’ny 07 Febroary 2009 ny antso  manokana miantefa amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, izany hoe ireo olom-boafidy sy ireo olom-boatendry rehetra, mpitondra Fanjakana. Tatoato mantsy, paikady ataon’ireo olona ivelan’izay Fitondrana  ny fivoizana korontana sy vaovao tsy marina eo amin’ny asa izay hiandraiketan’izy ireo. Manoloana izany, naneho ny heviny ny Filoha ka nampahatsiahy ireo tompon’andraikitra ireo fa matoa mbola mijoro dia misy aina, misy lalana naleha ary nisy tolona natao ka tsy tokony hivadi-belirano amin’izay zavatra rehetra hatao. Notsindriany manokana ihany koa fa tsy tokony hanaiky sarantsarahana fa mba hatambatry ny fitiavan-tanindrazana; tsy hanaiky hampiadiana ihany koa fa hijoro hatrany hampandroso ny firenena.

Hifamela heloka

Ny Filoha Andry Rajoelina ihany koa dia nanao antso avo ny amin’ny tokony hahaizana hamela heloka. Izany antso izany dia miantefa amin’ny olom-pirenena rehetra satria raha araka ny fanazavany hatrany, izay no hahafahantsika hanana fahadiovam-po ka ho afaka miroso amin’ny fampandrosoana.

“Isika rehetra dia kristiana. Miantso ny tsirairay hanatanteraka ny vavaka izay fatao isan’andro dia ny hoe: “Mamelaha ny helokay tahaka ny namelahanay izay nanao ratsy taminay”. Androany isika dia hamela ny helok’ireo rehetra izay nanao ratsy tamintsika. Andriamanitra anie hamaly ny ratsy sy ny tsara ho an’izy ireny fa isika amin’ny maha olombelona kosa dia hamela ny helok’izy ireny. Mba hanamaivana antsika no anton’izany. Ary io vavaka io dia hotanterahintsika. Izay no hahafahantsika manadio ny fo ary miroso ao anatin’ny finoana, fanatantenana, fitiavana. Dia ny fitiavan-tanindrazana ao am-pontsika tsirairay avy”, hoy ny teny fanentanana noentin’ny Filohampirenena Andry Rajoelina.

Fanateram-boninkazo

Toy ny mahazatra, nisy ny lanonana fanateram-bonikazo notanterahana teo amin’ny tsangam-baton’ny 07 Febroary omaly. Nambaran’ny Filoha fa andro tsy hay hadinoina io datin’ny omaly io. Izany no mibaiko ny fitiavan-tanindrazana misy ao anatintsika sy ny adidy hoentina hampandroso ny firenena. Fa indrindra, tsy ho raraka an-tany, hoy izy, ny aina nafoy teo amin’io toerana io na dia maro aza ny sakantsakana sy ny zava-tsarotra. Miroso isika eo amin’ny asa izay tokony hatao hampandroso an’i Madagasikara.
“Tsy ho raraka an-tany ny ain’ireo izay lasaka teto amin’ity toerana ity. Ary izay no mibaiko ato am-poko. Rehefa misy fanapahan-kevitra horaisina, indrindra eo amin’ny lafiny politika, dia ny tolona aloha no tsaroana voalohany indrindra. Nisy tolona natao teto amin’ity firenena ity… ary mbola mitohy hatramin’izao”, hoy hatrany ny nambarany.

Tsiahivina moa fa 49 mianadahy mianaka ireo olona lavo nandritra io tolon’ny 07 febroary 2009 io. Nitodika manokana tamin’ny fianakavian’izy ireo sy ireo izay mbola mitondra takaitra ny Filoha ka naneho tamin’ny teny fankaherezana fa mijoro hatrany ho raiamandreny mpiahy azy ireo.

Fermer