PolitikaSongadim-baovao
FAHAVAKISAN’NY FEFILOHA : Niakatra ny reniranon’Imamba, mponina maro nanaovana vonjy ranovaky
Nikija mafy ny orana tao anatin’ny indroa alina nisesy, dia ny alin’ny alarobia 12 sy alakamisy 13 Martsa lasa teo. Nampisy akony goavana izany, omaly tamin’ny 04 ora maraina, dia ny fahavakisan’ny fefiloha tao amin’ny manandrify ny Fokontany Andranomena, Kaominina Ankadikely Ilafy, Distrika Antananarivo Avaradrano, araka ny fanelezam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena. Izany dia niteraka fiakaran’ny reniranon’Imamba. Hatairana ny an’ny mponin’Avaradrano manamorona ity renirano ity, satria tsy nisy nanampo io fiakaran-drano io, raha mbola samy tao anatin’ny torimasony avy ny rehetra, fa indrindra ireo mponina manamorona tanimbary. Ireto farany moa, izay tsy afa-niala intsony. Ny sefo Fokontany Andranomena no nampandre ny zandarimaria ka nampidina ifotony haingana ireto zandary avy amin’ny Poste fixe Mandrosoa, sy ny ao amin’ny borigadin’ i Sabotsy Namehana. Fianakaviana amina tokantrano am-polony maro no voalaza tamin’izany fa tsy maintsy novonjena haingana. Efa nantsoina ihany koa ny BNGRC sy ny Fiadidiana ny kaominina mba hanampy ny zandarimaria amin’ny fanavotana ireo mponina tratran’ny fiakaran-drano. Niatrana eny an-toerana hatrany ny zandarimariam-pirenena hatramin’ny omaly tontolo, nisahana ny famonjena mponina sy nandrindra ny fifampivoizana nanomboka teo Ankadikely Ilafy sy Sabotsy Namehana. Andrasana ny antontanisa mikasika ireo traboina tao anatin’ity fiakaran-drano tao Avaradrano ity, avy amin’ny BNGRC.
S.R


