Songadim-baovaoSosialy
FAHAVARATRA 2024-2025 : Rivodoza miisa 2 hatramin’ny 5 mety hahakasika an’i Madagasikara
Isan’ny nanokatra ny vanim-potoan’ny rivodoza aty amin’ny faritra Atsimo Andrefan’ny Ranomasimbe Indianina ny fiforonan’ny andro ratsy ka efa nivadika ho rivodoza antsoina hoe «Ancha», nanomboka tamin’ny alin’ny talata hifoha ny alarobia lasa teo.
Fiandohan’ny volana oktobra, miditra amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra isika eto Madagasikara. Midika ihany koa izany fa hiaina indray ny fotoana fandalovan’ny rivodoza isika. Isan’ny nanokatra izay vanim-potoan’ny rivodoza aty amin’ny faritra Atsimo Andrefan’ny Ranomasimbe Indianina izay ny fiforonan’ny andro ka efa nivadika ho rivodoza. «Ancha» ny anarana nomena io rivodoza io nanomboka tamin’ny alin’ny talata hifoha ny alarobia lasa teo. Anarana natolotr’i Comores. Na izany aza dia mihena hatrany ny herin’io rivodoza io. Tsy hisy ny fiantraikany mety hahakasika an’i Madagasikara. Raha ny fanazavan’ireo teknisianina, somary lasa aloha ny vanim-potoan’ny rivodoza tamin’ity taona ity, tsy hisy ny tranga manamarika manokana. Ho mafimafy kosa anefa ny tranga hiforona any amin’ny faritra Andrefana sy ny ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. Izany hoe ho mafimafy kokoa ny mety ho fiantraikan’ny rivodoza any amin’iny ilany Atsinanana sy Andrefan’i Madagasikara iny.
Raha ny vinavinan’ireo teknisianina mpahay momba ny toetry ny andro hatrany, trangana rivodoza miisa 2 hatramin’ny 5 eo no mety hahakasika mivantana an’i Madagasikara mandritra ity fahavaratra ity. Ho mafy kokoa ny fiantraikan’izany any amin’ny ilany Avatra Atsinana, Afovoany Atsinanana, ary Atsimo Atsinanan’ny Nosy. Tsy azo atao ambanin-javatra anefa ny fiantraika mety hahazo any amin’iny sisiny mahazo ny Lakandranon’i Mozambika iny.
Mahakasika ny rotsakorana indray, ambanimbany ny taha ho an’ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, ny faritra Andrefan’Ihorombe, any amin’ny amin’ny Avaratry ny Faritra Anosy, ary aty amin’ny ilany Andrefan’ny Afovoan-tany. Hanatombo kosa ny rotsakorana ho an’ny Faritra Diana, Sava, ny andrefan’ny Faritra Sofia, Ambatosoa, Analanjirofo ary ny faritra Avaratry ny Faritra Atsinanana.
S S.




