Songadim-baovaoToekarena

FAHAVITAN-TENA ARA-TSAKAFO: Tantsaha miisa 225 000 manerana ny Faritra 11 hisitraka zezika

Natomboka tao Morarano Chrome, Distrikan’Amparafaravola, omaly ny fizarana ireo zezika Sulfate d'ammonium izay hiaraha-miasa amin’ny Orinasa Ambatovy. Hampitombo ny voka-bary hatramin’ny 5 taonina isaky ny hektara ny fampiasana ity karazana zezika ity. Faritra miisa 11 manerana ny Nosy no hisitraka ny tetikasa, izay ahitana tantsaha mpamboly miisa 225 000.

Faritra 11, ahitana an’Alaotra Mangoro, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’Imania, Analanjirofo, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, ary Menabe, izay misy Tantsaha miisa 225.000 no hisitraka ny fizarana ny zezika sulfate d’ammonium. Ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha-9 nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fanatsarana sy ny fampitomboana ny voka-bary. Natomboka tao Morarano Chrome, distrikan’Amparafaravola ny fizarana ireo zezika ireo omaly 16 febroary 2023, izay hiarahana amin’ny orinasa Ambatovy.

Araka ny fanazavana, tsy mijanona amin’ny fizarana zezika ny tetikasa fa hisy ihany koa fampiofanana momba ny fampiasana azy sy ny fampiofanana ny teknika PAPRIZ miaraka amin’ny JICA. Ankoatra ireo izay hahazo maimaim-poana ity zezika Sulfate d’ammonium ity, dia ho azo jifaina amin’ny vidiny 1500ar/kg ihany koa izany zezika izany raha toa ka 5000ar/kg ny vidin’ny zezika ankehitriny.

Fampitaovana, Karatany

Efa mamokatra isika saingy tsy ampy izany, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka noho izany indrindra no mahatonga ny Fitondram-panjakana manao ny ezaka rehetra hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra. Anisan’izany ny fanomezana ny fampitaovana ireo tantsaha toy ny zezika sy masomboly ary fitaovam-pambolena, eo ihany koa ny fanamorana ny fahazoana ny kara-tany hahafahan’izy ireo mamboly ary ny fanomezana azy ireo fiofanana hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra. Ny tanjona, hoy hatrany ny Filoha, dia ny hanatrarana ny vokatra 5 taonina isaky ny hektara raha toa ka 2 taonina isaky ny hektara izany ankehitriny.

Notsipihin’ny Filoham-pirenena fa efa maro ny ezaka natao ary mbola hitohy ny asa fampandrosoana ho an’Alaotra Mangoro. Notolorana moto ihany koa ireo ben’ny tanàna rehetra mba hahafahan’izy ireo manakaiky bebe kokoa ny vahoaka sy mijery azy ireny. Natolotra omaly ihany koa ny ambulance 4×4 ho an’ny hopitalin’Amparafaravola ho fanavotana ireo tsy salama.

Marihina fa isan’ireo nanotrona ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny diany ny Minisitry ny Serasera sy Kolotsaina, sady Minisitra Mpiahy ny Faritra Alaotra Mangoro, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy, Senatera Manasoa Donat Tang, ny Masoivohon’i Japon Abe Koji, Solontenan’ny Orinasa Ambatovy,  Guy Gomez, ny Governora mpisolo toerana ao Alaotra Mangoro Andriatsimaniry Damoela, ny Depiote Andilamena Rakotoarimanana Patrice ary ny Ben’ny tanàna ao Morarano Chrome.

Fermer