SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FAHAZOANA RANO FISOTRO MADIO : Tsy azo ihodivirana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

Tsy ny toerana miala ny renivohitra ihany fa ny ireo tanàn-dehibe rehetra eto Madagasikara aza dia saika mbola sahirana amin’ny fahazoana rano fisotro madio avokoa. Antony nahatonga ny fikaonan-doha teo amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’izany sehatra izany. Isany olana nivoitra tamin’izany ny fotodrafitrasa eo amin’ny sehatry ny rano fanadiovana sy fidiovana. Tsy azo ihodivirana, noho izany, ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina hamahana izany olana izany.

Ny iray ampahefatry ny Malagasy dia mbola tsy misitraka rano fisotro madio, araka ny tatitra avy amin’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana, sy Fidiovana. Mbola betsaka ny tanjona tratrarina raha ho an’i Madagasikara manokana. Ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, rahateo mbola manamafy fa mila harenina ny fahataran’I Madagasikara nandritra ny taona maro, isan’izany ny lafiny rano fisotro madio. Ho fahatrarana izany vina izany, nametraka ny avy eo anivon’ny minisitera fa tokony hanamafisana ny fiarahamiasa amin’ireo mpisehatra marolafy mba hahazoana ihany koa ny famatsiam-bola hahafahana manatanteraka asa. Antony nanatanterahan’ny Minisitera tompon’andraikitra ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny rano fanadiovana sy fidiovana (EAH), tetsy Alarobia. Nahafahan’ny Minisitera nanazava ny paikady efa entin’izy ireo amin’ny EAH ao anatin’ny fanatrarana ny tanjona, rano fisotro madio ho an’ny rehetra, fanadiovana sy fidiovana ho an’ny rehetra.

Vonona ireo mpisehatra

« Ny sehatry ny tsy miankina dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampitomboana ny tahan’ny olona misitraka ny tolotra EAH”, hoy ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana, Fidiovana, Rakotovelomantsoa Voahary. Taorian’ny fihaonana omaly, nambaran’ny Minisitra fa efa tratra ny tanjona fampandraisana andraikitra ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny EAH rehetra. Izy ireo izay naneho ampahibemaso ny fahavononan’izy ireo amin’ny fanomezan-danja ity sehatra ity, tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia taratasy fanekena. Izany hoe, ainga vao amin’ny fitantanana mahomby ny EAH indray ny nahatontosana iny atrikasa fihaonana nandritra ny telo andro iny.

Fanatanterahana ireo vina

Hifotorana ny fijerena ireo loharano any amin’ny faritra maro, amin’ny fahazoana rano fisotro madio. Ho an’ny lafiny fidiovana, hatao laharam-pahamehana ny fametrahana fotodrafitrasa amin’ny toerana maro. Ary hapetraka ny paikady fanadiovana ho an’ny rehetra, manomboka aty amin’ny tanàn-dehibe ka hatrany amin’ny faritra ambanivohitra, araka ny fanazavan’ny Minisitra. Efa manomboka mandeha ny fanatanterahana ireo vina sy ny fanekena natao, hoy izy, fa tsy mijanona ho teorika fotsiny. Fotoana izay nanambarany fa efa maro ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana tamin’ny sehatry ny EAH. Nanamporofo izany ny ezaka vita tamin’ny ady tamin’ny Covid-19. Tsy takon’afenina ihany koa ny ezaka efa ataon’ny Fanjakana amin’ny famahana ny olan’ny rano any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Misy vahaolana fohy ezaka, lavitr’ezaka, ary vahaolana lovainjafy, hoy ny minisitra. Ary ny fametrahana rano ho an’ny mponina any atsimo dia tsy mijanona ho an’ny rano fisotro madio irery ihany, fa mitondra vahaolana koa ho an’ny rano fidiovana sy ny rano fanadiovana . Efa tonga ny rano any an-toerana amin’izao fotoana izao, hoy ny fanambaran’ny Minisitra omaly.

Fermer