Songadim-baovaoToekarena

FAHITALAVITRA “FREE TV” : Azo arahina ao amin’ny Canal Plus manomboka ny 28 Jolay izao

Fahitalavitra malagasy voalohany hivoy ranoray ny lafiny kolontsaina sy ny fandraharahana ny FREE TV, izay ao anatin’ny Vondrona Orinasa Free Communication. Efa nihodina sy namokatra karazam-pandaharana maro ity fahitalavitra ity nandritra izay fotoana lavalava nandehanany izay. Hanomboka ny 28 Jolay izao, hiditra ho isan’ireo fahitalavitra azo arahina amin’ny alalan’ny zana-bolana ny FREE TV noho ny fiarahamiasa amin’ny Canal Plus, izay efa matihanina amin’izany. Notontosaina omaly ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa teo amin’ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Free Communication,  Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, sy ny Tale Jeneralin’ny Canal Plus Madagascar, Christophe Dessaints.

Araka izany, dia ao amin’ny “Chaine” 7 sy ny “Chaine” 210 no ahitana ny FREE TV. Ity farany izay niara-niditra tao amin’ny Canal Plus tamin’ireo fahitalavitra malagasy telo hafa eto an-toerana. Nilaza moa ny tomponandraikitra avy amin’ny Canal Plus fa fanomezan-danja ny maha malagasy sy ny mpijery fahitalavitra malagasy no antony nandraisana ireo “chaine” malagasy ireo. Tsara ho fantatra fa ahitana ireo “chaines” malagasy ireo avokoa ny tolotra rehetra misy eo anivon’ny Canal Plus, manomboka amin’ny “ACCESS” izany.

Faly tena faly aho mizara amintsika ity vaovao mahafinaritra loatra ity, ho azonao jerena amin’ny bouquet Canal plus ao amin’ny CHAINES 7 sy 210 manomboka amin’ny 28 Jolay ho avy izao ny fahitalavitry ny Kolontsaina sy ny fandraharahana voalohany eto Madagasikara, ny FREE TV… Mandroso hatrany, mahatsiaro fifaliana mamy rehefa mahavita dingana eo amin’ny fiainana tahaka izao, satria ho an’ireo izay mpanaraka ahy hatramin’izay dia nahalala tsara fa zazakeliko novolavolaiko nandritra ny taona maro ity FREE TV ity, manampy ny radio FREE FM sy ny gazety FREE NEWS! Manamarika ahy loatra, feno ny fo dia zaraiko amintsika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny PDG Lalatiana Rakotondrazafy tao anatin’ny fihetseham-po tanteraka.

Marihina fa ankoatra ireo fandaharana miompana amin’ny resaka Kolontsaina sy ny lafiny fandraharahana, dia misy koa ireo fandaharana vokarin’ny Sampana Fampahalalam-baovaon’ny FREE TV, dia ny “Minitram-baovao” izay hitaterana ireo vaovao misongadina isan’andro, eo koa ny “Tokolava” izay hanaovana fanadihadiana lalina sy hamakiana bantsilana ireo tranga tsy rariny miseho eny anivon’ny fiarahamonina, ary ny “Anao ny fitenenana”.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer