PolitikaSongadim-baovao
FAHITSIANA, FANJAKANA TSARA TANTANA, ADY AMIN’NY KOLIKOLY: Manamafy ny traikefany ireo mpanao gazety eto Antananarivo
Fepetra iray ahafahana mametraka ny Fanjakana tsara tantana sy ny fijoroana amin’ny fahitsiana ny ady amin’ny kolikoly. Tamin’ny taona 2022, teo amin’ny laharana faha-142 amin’ireo firenena 182 maneran-tany no misy an’i Madagasikara mahakasika izay ady amin’ny kolikoly izay. 26/100 kosa ny naoty azontsika, raha toa ka 32/100 ny naoty ankapobeny ho an’ireo firenena aty amin’ny faritr’i Afrika. Manamafy, araka izany, ireo antotanisa ireo fa mbola mila ezaka maro isika eto Madagasikara ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly. Lalana iray ahafahana manatratra io tanjona io ny fijoroana amin’ny fahitsiana. Antony nahatonga ny Komity Mitandro ny Fahitsiana na CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) hamolavola ny Rafitra Nasionaly momba ny Fahitsiana ka miisa 12 ireo andry miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana heverin’izy ireo fa hiankinan’izay fampiroboroboana ny fahitsiana izay, sy mifarimbona amin’ny fampanjakana izany eto amin’ny firenena. Tafiditra ao anatin’ireo andry ireo ny Antenimiera, ny Governemanta, ny rafitra mpitsara sy mpanao famotorana, ny rafitra mpanara-maso, ny rafitra miady amin’ny kolikoly, ny Mediatora, ny vondrona iraisam-pirenena, ireo antoko politika, ny fiangonana, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ary indrindra ireo mpanao gazety.
Rehefa izany, anisany amin’ireo andry iray manana fahefana betsaka ao anatin’ny fampiroboroboana ny fahitsiana ny mpanao gazety. Nohazavain’ny Sekretera Mpanatanteraky ny CSI, Tsiry Razafimandimby, fa manana andraikitra amin’ny fampitàna ny vaovao sy ny Soatoavina any amin’ny olom-pirenena ny mpanao gazety. Azo havadika ho fitaovana ampiasaina hahafahana mampiroborobo ny fahitsina eto amin’ny firenena izany andraikitr’izy ireo izany. Antona nahatonga ny CSI nisafidy manokana ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety mahakasika ny fahitsiana, ny Fanjakana tsara tantana, ary ny ady amin’ny kolikoly. Ny CSI, raha tsiahivina, dia manana iraka amin’ny fampiroboroboana ireo andry 12 mifarimbona amin’ny fampanjakana ny fahitsiana eto amin’ny firenena izay notanisaina tetsy aloha ireo, ka noraisin’izy ireo ho vaidohan-draharaha ny fanamafisana orina ny andraikitry ny mpanao gazety ao anatin’ny fahitsiana.
Rehefa avy nitety ireo renivohi-paritany dimy hafa, araka izany, nofaranana teto Antaninarivo ny fampiofanana sy fanamafisana traikefa ny mpanao gazety izay nokarakarain’ny Komity Mitandro ny Fahitsiana. Ny alarobia sy omaly alakamisy no nanatanterahana izany ka mitotaly 120 ny fitambaran’ireo mpanao gazety manerana ny Nosy nisitraka fanamafisam-pahaizana mahakasika ny fahitsiana, ny Fanjakana tsara tantara, ary ny ady amin’ny kolikoly avy amin’ny CSI. Nohazavain’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, Monica Rasoloarison, fa mifamatotra amin’ny fiainam-pirenena ny asa fanaovan-gazety. Soa ihany, hoy izy, fa misy izao fampatsiahivana amin’ny alalan’ny fanamafisana traikefa momba ny fahitsiana sy ny fahamarinana amin’ny asa fanaovan-gazety izao, mba ahafahana indray mampihatra sy mampita izany amin’ny olom-pirenena.
Ankilany, tonga nisolotena ny Ministeran’ny Serasera tamin’ny fanokafana ny fampiofanana ireo mpanao gazety teto Antananarivo ny Tale Jeneralin’ny Serasera, Fetra Rakotondrasoava. Nambarany tamin’izany fa isan’ireo ataon’ny Ministera tompon’andraikitra vaindohan-draharaha hatrany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety eto amintsika. Tanjona ny ampiakarana ny lentan’ny mpanao gazety. Voafaritry ny Lalàna mifehy ny Serasera amin’ny haino vaky jery ihany koa, hoy izy, fa zo fototry ny mpanao gazety ny misitraka fiofanana sy manamafy ny fahaiza-manao tahaka io natao io. Tsy nohadinoiny ny nampahatsiahy ireo fomba fiasa mifototra amin’ny fahitsiana dia ny tsy fanovàna ny tranga miseho izany, ny fanamarinana ireo vaovao, ary ny fanitsiana raha toa ka misy diso.
Sarobidy Sidonie.



