Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FAKÀNA AN-KERINY: Avotra ilay zaza varira, dahalo roa lavo
Lasan’ireo dahalo mpaka an-keriny ny zaza varira iray, 08 taona, antsoina hoe Zafindrafaly, ny sabotsy 12 Oktobra lasa teo, tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Mahitsy, Fokontany Fotsivavo Lohafary, distrikan’i Vangaindrano. Vao nahare io tranga io ny zandarimariam-pirenena dia nanao ny fikarohana avy hatrany, ka ny Alatsinainy 21 oktobra teo, tokony ho tamin’ny 09 ora alina, no nalefa tany Anilobe, Vohitrambo ny Zandary miisa 15, notarihan’ny Kaomandin’ny Kaompania, nanao ny vela-pandrika hanavotana ilay zaza varira, ary koa hisambotra ireo dahalo. Avotra ilay zaza nalaina an-keriny saika amidy, ary dahalo miisa roa no lavo nandritra ny fifandonana. Olona miisa 06 kosa, no indray voasambotra, ka ny 04 dahalo nanatanteraka ny fanafihana, raha vehivavy ny 02 farany, izay voalaza fa vadin’ireo dahalo no mpiray tsikombakomba amin’izy ireo tamin’ny fanafenana ilay zaza. Ankoatra izay, dia basy vita gasy miisa roa, miampy ody gasy no sarona tany amin’izy ireo.



