Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina
FAKANA AN-KERINY HAFAHAFA : Voamarina fa nomena zava-mahadomelina ireo tanora lasibatra
Zava-mahadomelina karazany efatra no hita tamin’ireo tanora lasibatry ny fakana an-keriny tato anatin’ny andro vitsivitsy izay, araka ny valin’ny fitiliana natao azy ireo, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Zely Randriamanantany omaly, tao amin’ny fahitalavi-pirenena. Isan’izany ny opiacés, Cocaine, amphétamines, ary ny méthamphétamine. Mitohy ny fanadihadiana, ary nilaza ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana fa hahazo valisoa izay manome vaovao mari-pototra momba ireo olon-dratsy.
Saika mitovy avokoa ny tranga nahazo ireo tanora lasibatry ny fakana an-keriny, tato anatin’ny andro vitsy izay, teto an-drenivohitra. “Misy olona manatona, manondronondro ny tarehy sy ny manodidina ny loha, avy eo tsy mahatsiaro tena, rehefa taitra dia misy diana tsindrona amin’ny vatana…” ampahany tamin’ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka omaly ireo. Rehefa tonga any amin’ny hopitaly, hoy izy, ireo tanora ka mahatsiaro tena, dia misy ireo mikiakiaka, ary matahotra olona. Tsy maintsy nirosoana, araka izany, ny fanaovana fitiliana ireo tanora ireo, hanamarinana na nomena zava-mahadomelina tokoa izy ireo na tsia. Voamarina tao anatin’izany, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka hatrany, fa tena nomena zava-mahadomelina tokoa ireo lasibatra. “Opiacés, Cocaine, amphétamines, méthamphétamine », ireo no isan’ny hita tao anatin’izany fitiliana izany. Marihina fa tsy tsindrona avokoa no niasa tamin’ireo tanora fa nisy nampisotroina zavatra. Notsindrian’ny Minisitra kosa, fa tsy mbola nisy trangana fanolanana aloha hatreto izay lasibatr’ity fakana an-keriny hafahafa ity.
Valisoa ho an’ireo manome vaovao
Tetsy ankilany, nilaza ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandariam-pirenena, fa zava-dehibe ny fifanomezan-tanan’ny rehetra amin’ny tranga toy izao hahafahana mahatratra ireo olon-dratsy. Nambaran’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, fa hahazo valisoa izay manome vaovao mari-pototra momba ireo olon-dratsy ambadik’izao endrika fanakorontanana izao. Na izany aza, efa hohamafisina ny fiambenana manodidina ny sekoly eto an-drenivohitra, ny fiantsonan’ny taksibe, sy ireo toerana be olona. Nametraka laharana manokana 988, natao iadiana amin’izao tranga fakana an-keriny izao ny polisy, raha toa ka 119 ho an’ny zandarimaria.
Toromarika vitsivitsy
Ankoatra ny fandraisana fepetra amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy, manakaiky vahoaka hatrany ny Polisim-pirenena, manoloana fahasarotana miseho amin’ny fiarahamonina toy izao miseho ankehitriny izao. Mila mailo ny rehetra, fa indrindra ny tovovavy. Tokony hitandrina ny rehetra eo amin’ny lalana sy ny dia tokony haleha, ohatra, izay tokony ho fantatr’ireo Ray aman-dreny, na izay olona ao an-trano rehefa hivoaka handeha amin’ny lalan-kaleha. Mila atao fahazarana ny miantso kely na mandefa hafatra miafina milaza fa « efa hody aho » sy ny sisa. Tokony hizatra mandinika ny akanjo anaovan’ny mpiray tampo, na ny zanaka ao an-trano raha vao miala ny trano izy. Eo amin’ny lafiny fifandraisana indray, tokony hasiana taratasy kely misy laharana hahazoana ny olon-dehibe ao an-trano ny finday, ary tokony hianaran’ny tsirairay ny resaka “localisation” amin’ny finday. Eo amin’ny tontolo manodidina eny an-dalana indray, tsy azo atao ny manao varimbariana rehefa mandeha fa miezaka hatrany ho mailo. Tandremana tsara foana ny entana, ary tsy tokony hiondrika anaty finday na hihaino hira no sady mandeha. Mila fidiana tsara ny lalana handehanana, mba tsy ho lalana mangingina tsy misy mpandeha. Azo sorohana ihany koa ny firesadresahana aman’olona eny an-dalana, fa indrindra aman’olona tsy fantatra. Hafa indray raha olona manontany lalana na very an-dalana, manoloana ny zava-misy ankehitriny io. Eo amin’ny samy mpinamana, raha azo atao dia tsy tokony mandeha irery rehefa misy anton-dia, hisorohana ny tsy ampoizina. Omena ny namana akaiky hatrany ny laharana hahazoana ny Ray aman-dreny, ary omena azy ireo kosa, ny laharan’ny findain’ny namana.
Azo antsoina ireo Polisin’ny Kaomisaria misy rehetra eto Antananarivo Renivohitra, amin’izay toerana mety hitrangan’ny fangalaran’olona io. Ny Kaomisarian’ny boriborintany voalohany 034 05 517 31, faharoa 034 05 517 28, fahatelo 034 05 517 29, fahefatra 034 05 517 30, fahadimy 034 05 517 11, fahenina 034 05 517 12, fahafito 034 05 517 13, fahavalo 034 05 517 18. Ankoatra izay, entanina ho samy hahery ny rehetra, ary tokony tsy hadino ny mivavaka alohan’ny hivoahana ny trano.
Nangonin’i Stan R sy LR.




