Songadim-baovaoSosialy

FAKANA AN-KERINY “ VARIRA” : Tranga fito hatramin’ny fiandohan’ ny taona, hihamafy ny sazy

Nolanian’ny solombavambahoaka omaly alarobia 11 jona 2025 ny tolo-dalàna laharana faha 005-2024/PL, natao hanome fiarovana manokana ho an'ireo varira, taorian'ny fanitsiana sy fanovana natao mba hampifanaraka izany amin'ny Lalàmpanorenana.

Trangana fakana an-keriny olona manana toe-tena varira miisa 7 no niseho hatramin’ny fiandohan’ity taona 2025 ity. Olona varira miisa 2 ihany koa no namoy ny ainy vokatry ny hetraketrak’ireo tsy mataho-tody. Mbola manamafy hatrany ny fanaovana herisetra miantraika amin’ireo olona manana toe-tena varira ny fisian’ireo tranga ireo. Ireo olona varira izay iharan’ny fanilikilihana eny anivon’ny fiarahamonina satria heverina fa tsy mitovy fihodirana, iharan’ny karazana herisetra marolafy, indrindra ny fakana an-keriny sy ny fandatsahana ny aina. Noho izany zava-misy izany dia tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo ireo olona manana toe-tena varira ireo, hoy ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Razafinjato Aurélie. Izany indrindra no mahatonga io Ministera io, miaraka amin’ireo departemanta ministerialy hafa voakasika, manana anjara asa goavana amin’ny fiarovana ireo sokajin’olona ireo.

Ho fanamafisana izay fiarovana izay, araka izany, dia naroso teny amin’ny Antenimierampirenena omaly ny tolo-dalàna laharana faha 005-2024/PL natao hanomezana fiarovana manokana ho an’ireo olona varira. Ny Solombavambahoaka voafidy tao Betroka Randrianasolo Jean Nicolas no nanolotra io tolo-dalàna io. Araka ny fanazavany dia iharan’ny fampijaliana sy herisetra noho ny fahasamihafana ara-batana ny olona manana toe-tena varira ka matetika iharan’ny vono, herisetra ary hatramin’ny fampivarotana azy ireo mihitsy aza. Natao, araka izany, io tolo-dalàna io mba hiarovana ireo varira ain’ny fanavakavahana mety hihatra amin’izy ireo. Nolanian’ireo Solombavambahoaka io tolo-dalàna io rehefa nandalo fanitsiana sy fanovàna mba hampifanaraka azy amin’ny voalazan’ny Lalampanorenana. “Mitondra anjara biriky lehibe ao anatin’ny fiarovana ireo olona manana toe-tena varira io tolo-dalàna natolotry ny Solombavambahoaka io”, hoy hatrany ny Minisitra Razafinjato Aurélie. Rehefa hihatra io lalàna io dia antenaina fa ho mafimafy kokoa ny sazy hihatra amin’ireo mpanao herisetra, ireo mpiray tsikombakomba amin’ireo olona mpaka an-keriny.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer