Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FAKANA AN-KERINY : Votsotra teo am-pelatanan’ireo dahalo ilay varira, lasa ny volabe 2 tapitrisa Ar
Niainga avy Antamenaky kaominina ambanivohitra Begogo, distrikan’Akora ny Varira iray sy ny namany roa lahy, ny 17 aprily lasa teo. Rehefa tonga tao Beraketa, fokontany Miary, kaominina ambanivohitra Mahabo izy ireo, dia nenjehin’ny dahalo enin-dahy ka ny namany no tafatsoaka, saingy izy no tratra. Nalain’ireo dahalo ny vola rehetra teny am-pelatanany izay mitentina 2.300.000 Ar rehefa alina ny andro. Nony azon-tory ireo dahalo dia nandositra izy ka izay no nahatonga azy tao Benonoka I. Tsy fantany ny anaran’ilay olona roa namany ary tsy hita hatramin’izao. Izy rahateo mbola tsy miverina tsara ny fitadidiany. Vao 20 taona moa ity Varira nalain’ny dahalo enin-dahy an-keriny ka tafatsoaka ity, izay mbola tsy manambady no tsy manan-janaka. Ny faha 20 Aprily 2025 , tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro dia niantso ny komandin’ny zana-tobim-paritra ny zandarimaria ao Mahabo ny Sefo kartie ao Benonoka I fa nisy Varira hita teny amoron’ny tanàna antsoina hoe Benonoka I, afakomaly, ka nampikoropaka ny tao an-tanàna. Nahetsika nidina tany an-toerana ny zandary telo, mba hijery akaiky izany olona varira any anaty Riry izany. Nanatona tao an-tanàna Benonoka I ilay Varira ka nasaina nateriny fokonolona tao amin’ny zana-tobim-paritra ary nifanena tamin’ireo zandary nanantanteraka ny iraka tany an-toerana. Notazomina ao amin’ny biraon’ny Zana-tobim-paritra Mahabo ny tenany mandra-pahatongavan’ny fianakaviany sy mba hiarovana ny ainy. Efa nentina tamin’ny tobim-pahasalamana izy fa tsy misy ahina ny fahasalamany.
Pierre M.




