PolitikaSongadim-baovao
FAMADIHANA NY RESAK’I JEAN ERIC RAKOTOARISOA: Endriky ny haratsiam-panahy sy fanakorontanana ataon’ny mpanohitra
Ninian’ny mpanohitra sy ny mpomba ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc navadika, ary nesorina tao anatin’ny odidina na ny “contexte” nisy azy, ny resaka nataon’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) teo aloha Jean Eric Rakotoarisoa tamin’ny 21 Jona 2021 lasa teo. Resaka mifandraika tamin’ny zava-nisy teto amin’ny Firenena ny 21 Aprily 2018 no nambarany, kanefa, navadiky ny mpanohitra ho resaka mahakasika ny voka-pifidianana Filoham-pirenena tamin’ny 2018 indray izany, ankehitriny.
Nanao fanambarana ireo Malagasy mikambana ao amin’ilay vondrona “GTT IDF” any Frantsa ny Alahady 07 Novambra 2021 lasa teo, izay mitaky ny handrodanana izao Fitondrana ankehitriny izao, noho ny filazana fa tsy mijoro ara-dalàna izany, taorian’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana teo aloha, Jean Eric Rakotoarisoa, sy ny Filohan’ny Ceni teo aloha, Hery Rakotomanana.
Teo anatrehan’izany, nitondra fanazavana ny Filohan’ny HCC teo aloha, Jean Eric Rakotoarisoa, omaly. Niaiky ity tomponandraikitra ity fa nisy tokoa ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety izay niresahana momba ny fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny toe-draharaha nitranga teto amin’ny firenena ny 21 aprily 2018. Nambaran’ity tomponandraikitra ity tao anatin’ny horonampeo tokoa fa mba hialana amin’ny krizy ny zavatra nitranga rehetra, “mety tsy mahafaly ny sasany ny didy fa izahay dia nanatanteraka…”. Ninian’ny mpanohitra notapahina sy navadika ho resaka mahakasika ny voka-pifidianana ho Filoham-pirenena natao tamin’ny taona 2018 indray anefa ireo voalaza rehetra ireo, amin’izao fotoana.
Maneho marina ny safidin’ny maro an’isa
« Averiko ary hamafisiko hatrany, fa ny didim-pitsarana izay navoakan’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàm-panorenana izay nifandraika tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena natao tamin’ny taona 2018 dia maneho marina ny safidin’ny maro an’isa ary nifanaraka tanteraka tamin’ny zava-nisy rehetra nandritra iny fotoam-pifidianana iny rehefa natao ny fandinihana sy ny fanaraha-maso araky ny voasoratra amin’ny lalàna velona”, hoy Jean Eric Rakotoarisoa.
Niombon-kevitra tanteraka tamin’izany didim-pitsarana izany koa ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara fa indrindra ireo mpanara-maso ny fifidianana na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany, izay niara-nanaiky ny fahatomombanan’ny fizotran’ny fifidianana sy niara-nankatoa ny vokatr’izany. Raha tsiahivina, isany efa nanao fanambarana ny maha ara-dalàna ny fifidianana tamin’ny 2018 ny fiarahamonim-pirenena mpanara-maso fifidianana Safidy. Nambaran’izy ireo fa “na teo aza ny olana vitsivitsy niseho sy tsy fahatomombanana sasantsasany dia nizotra tao anatin’ny filaminana tanteraka ny zotram-pifidianana tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena 2018”. Niombon-kevitra tamin’izany ihany koa ny mpanara-maso avy amin’ny vondrona Eoropeanina. Tahaka izany ihany koa ny tatitra ny asa fanarahamaso ny fifidianana tamin’ny 2018 nataon’ny iraky ny vondrona afrikanina, izay nanipika mazava mihitsy fa mitaratra ny safidin’ny vahoaka malagasy marina ny voka-pifidianana niseho.
Efa fomba fiadin’ny mpanohitra
Tsy mahagaga, ary tsy vao sambany ny mpanohitra no nanao io fomba fiady io, dia ny fanesorana ny resaka iray ao anatin’ny “contexte” na ny odidina tena nisy azy. Fomba fanao izay endrikana haratsiam-panahy sy fanakorontanana tsotra izao. Ekena fa tena nilaza sy niteny ilay ampahan-dresaka iniana aparitaka tokoa ilay olona, saingy izany dia iniana hampifandraisina amina anton-dresaka hafa izay tsy misy idiran’ilay ampahan-dresaka aparitaka akory. Mandrapaha oviana ny mpanohitra no hanao izany? Sa ve izany sisa no endrika fanoherana azo atao ankehitriny?
Ny zavatra tsikaritra ihany koa tato ho ato dia toa ry zareo mpanohitra avy any ivelany hatrany no hahetsika mitarika ny asa fanakorontanana eto amin’ny firenena ankehitriny, indrindra ireo mipetraka any Frantsa. Mihevitra ve izy ireo fa any ivelany dia tsy azon’ny lalàna malagasy henjehina? Ny mpanara-baovao sy ny olom-pirenena dia mahita fa ny Firenena frantsay dia tsy tokony hanaiky ho atao toerana fialokalofan’ny mpanakorontana tahaka izany. Ekena fa tany demokratika sy manaja ny fahalalahana maneho hevitra ny any Frantsa, saingy, tsy tokony hamela malalaka ny asa fanakorontanana sy tetika fanonganam-panjakana hahazo laka kosa.
Ny Fanoratana.




