PolitikaSongadim-baovao
FAMAHANA NY OLAN’NY ONIVERSITE: Nampidirina anaty tetibolam-panjakana ny Karama sy tambinkaraman’ny PAT
Tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly, 13 Jolay 2022, fa ho ampidirina anaty tetibolam-panjakana foibe ny karama sy ny tambinkaraman’ny mpandraharahan’ny Oniversite sy ireo IST ary ny CROUA. Vahaolana lehibe entin’ny Fanjakana ity natao ity, hisorohana ny fahatarana lava misy amin’ny fandoavana ny karama sy tambinkaraman’izy ireo, izay miteraka savorovoro eny anivon’ny Oniversite matetika.
Tara hatrany ny fandoavana ny karaman’ireo mpandraharahan’ny Oniversite (PAT) sy ireo IST nandritra ny taona maro satria tetibola manokana no andoavana azy, araka ny nivoitra nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Vahaolana lehibe entin’ny Fitondram-panjakana, araka izany, ny fampidirina anaty tetibolam-panjakana foibe ny karama sy ny tambinkaraman’izy ireo mba hitovy amin’ny mpiasam-panjakana rehetra izy ireo ka ho afaka handray karama ara-potoana tsy misy fahatarana intsony. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly, noho izany, ny fampidirana ao anatin’ny tetibolam-panjakana foibe ny karama sy tambinkaraman’izy ireo. Voakasik’izany ny mpiasa misahan-draharaha ara-panjakana sy ara-teknika (Personnel administratif et Technique) eny amin’ireo Oniversite, ireo IST (Instituts Supérieurs de Technologie) ary ny CROUA (Centre Régional des Oeuvres Universitaires).
Ny karama sy ny tambikarama teknika no voakasik’io fanoratana anatin’ny tetibolam-panjakana foibe io, raha ny loharanom-baovao mari-pototra, ary ao anatin’ny sorabolan’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa no hampidirana azy. Raha tsy misy ny fiovana, dia maherin’ny 3 700 eo ho eo ireo mpiasa voakasik’ity fampidirana karama anatin’ny tetibolam-panjakana foibe io, izay efa tafiditra ao anatin’ny sorabola amin’ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana taona 2022. Tsy tafiditra ao anatiny kosa ireo mpiasa manana fifanarahana manokana na ny « contractuels privés » », raha ny loharanom-baovao hatrany.
Fifanarahana arak’asa ?
Etsy ankilany, mba hahamarin-toerana ireo mpiasa ECD dia heverina ny hisian’ny fifanarahana arak’asa amin’ny Fanjakana. Tanjona amin’ny fanatanterahana izany ny mba hampidirina azy ireo ho mpiasam-panjakana raikitra ELD, ahafahana mandoa ny karamany amin’ny tetibolam-panjakana foibe. Araka ny fantatra hatrany dia mbola hisy ny didim-pitondrana havoaka hamoahana ny lisitr’ireo mpiasa hisitraka ity fandoavana karama anaty tetibolam-panjakana foibe ity mba tsy hisy ny fiovaovan’izany.
Mivaha amin’ny ampahany, araka izany, ny olana lavareny miseholany eny amin’ny Oniversitem-panjakana, ankoatra ny olan’ny vatsimpianarana sy ny fitakiana tombontsoa hafa ataon’ireo mpisehatra isan-tsokajiny.



